- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversMpamosavy tratra tao Imerintsiatosika : Naiditra am-ponja vonjimaika i Ramaria be

Mpamosavy tratra tao Imerintsiatosika : Naiditra am-ponja vonjimaika i Ramaria be

Taorian’ny nisamboran’ny fokonolona an’i Ramaria be sy ny nitazonan’ny zandary tany Imerintsiatosika azy, dia fantatra fa niakatra « parquet » ny alarobia lasa teo ny tenany. Tao amin’ny Tribonaly any Arivonimamo no nanatanterahana izany. Raha zohiana ny zava-nisy, voalaza fa tratran’ny olona nisoavaly tovolahy izay tafody alim-be avy nijery baolina ity ramatoa be mananika ny 70 taona ity. Narary mafy vokatr’izany ilay tovolahy ary nametraka fepetra ireo fianakaviana sy ny mpiray tanàna nahita ny zava-niseho, fa haka ny fanafody any amin’ity voalaza fa namosavy ny zanany. Tsy nahitam-bahaolana anefa izany, satria nampivezivezen-dRamaria be fotsiny ireo fokonolona fa tsy nomeny ilay fanafody. Ny ain’ilay tovolahy anefa efa ahiana mafy dia mafy. Tapa-kevitra noho izany ireo fianakaviana fa hitory ity farany. Notazonina tao amin’ny « violon » tao Imerintsiatosika ity ramatoa be ity ary natolotra ny « parquet » ny alarobia lasa teo. Rohotra nanaraka an’ity ramatoa be ity hatreny Arivonimamo ihany koa ireo fokonolona nisambotra azy ; izay tena tezitra mafy tokoa mba hanarahan’izy ireo akaiky ny toe-draharaha. Etsy ankilany, naneho ny tsy fahafaliany ihany koa ireo mponina tao Arivonimamo rehefa nahafantatra ny heloka nanenjehana ity ramatoa be ity. Soa fa tonga ara-potoana ny zandary nandray an-tànana ny raharaha. Taorian’ny «parquet » izay marihina fa tsy natrehan’ireo fianakavian-dRamaria be, dia fantatra izao fa naiditra am-ponja vonjimaika ny tenany mandra-piandry ny fotoam-pitsarana azy. Amin’ny toerana voatokana (B.E) kosa anefa no nametrahana azy, fa tsy any amin’ny fonja velively mba hiarovana ny ain’ireo gadra sasany. Fantatra ihany koa fa mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny « infirmerie » ao amin’ny hopitalin’Arivonimamo ny tenany noho ny ratra nateraky ny daroka nataon’ny fokonolona azy.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici