- Publicité -
jeudi, mai 15, 2025
AccueilFaits-DiversMpampianatra bevohoka, hita faty voaolana : Mpiara-miasa aminy akaiky voarohirohy

Mpampianatra bevohoka, hita faty voaolana : Mpiara-miasa aminy akaiky voarohirohy

Lonilony sa fialonana ? Vehivavy iray, mpampianatra ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra ao Ambato, any amin’iny distrika Ambohidratrimo iny no hita faty tanaty lakandrano ny herinandro lasa teo. Mpiara-miasa aminy akaiky ihany no voalaza fa tao ambadik’izany ary efa nosamborina, araka ny angom-baovao azo. Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana tanteraka ity vehivavy 26 taona ity, raha ny tatitry ny zandary. Satria araka ny filazan’ny mpitsabo nijery ny razana teny an-toerana dia niharan’ny herisetra ara-nofo izy, ary notamperina ny ainy nony avy eo. Nalentik’ilay nahavanon-doza tao anaty tatatra ny lohany mba ho sempotry ny rano. Fa ny tena nampivarahontsana ny rehetra dia fantatra fa mitondra vohoka telo volana ilay mpampianatra. Raha ny fanazavàna azo dia efa roa andro talohan’io nahitàna ny vatana mangatsiakany io ity vehivavy ity no tsy tonga tany an-tranony tany Anjanadoria, izay somary lavidavitra ny toeram-piasàny. “Ny zoma 10 febroary lasa teo, rehefa avy nampianatra tao amin’ny EPP Ambato, ka handeha hody any Anjanadoria dia tsy tody tany an-tranony” hoy ny vaovao. Nanomboka teo ny ahiahin’ireo fianakaviana izay efa nitady azy hatraiza hatraiza. Tany amin’ny toeram-piasàny sy tany amin’izay mety ho toerana nalehany. Efa nampandrenesina ihany koa ireo tomponandraikitry ny filaminana tany an-toerana. Nanjavona anefa. Roa andro, taorian’ny nikarohana azy, no nisy nahita, saingy efa vatana mangatsiaka nihohoka tanaty lakandrano. Nisokatra avy hatrany ny fikarohana izay mety ho tsy valahara nahavita ity heloka bevava ity, nataon’ireo mpitandro filaminana. Ary dia izao nitohy tamin’ny fisamborana ny mpiara-miasa aminy akaiky izao, ny voalohandohan’ny herinandro teo, izay voatondro hatreto ho tompon’antoka tamin’ilay famonoana. Niasa irery sa nisy namana, ary inona no mety ho antony, mbola mitohy hatreto ny fanadihadiana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici