Raha ity taratasy fampikarohana navoakan’ny teo anivon’ny sampan-draharahan’ny zandary misahana ny fikarohana ny heloka bevava ity dia tena tsy misoratra eny amin’ny tarehy marina ny maha olon-dratsy ny olona iray. Ny alatsinainy teo, dia namoaka ny taratasy fampikarohana laharana faha-759-SRC/2 ity sampan-draharahan’ny zandary ity, mikasika ny fikarohana ireto olona roa, vehivavy sy lehilahy. Ralehilahy, fantatra amin’ny anarana hoe Rado, na Rakotoarimanana Manganandrasana Tolojanahary Radosoa, mpandraharaha ara-toekarena, ary nipetraka tao Antsofinondry Sabotsy Namehana. Ravehivavy kosa, fantatra amin’ny anarana fiantso azy hoe Fy, na Rakotoarimanana Sitrakiniaina Fitahiana, nipetraka tao Antohomadinika ary mpampianatra. Samy voarohirohy amin’ny resaka fisolokiana izy ireo : halatra miampy fisolokiana ny an’ilay lehilahy ary firaisana tsikombakomba tamin’ny halatra sy fisolokiana kosa ny an’ilay ramatoa. Marihana fa tsy hita tany nanjavonana intsony ireto ny farany, taorian’ny fitoriana sy ny fanadihadiana nataon’ny zandary. Antony namoahana izao fampikarohana azy ireo izao. « Izay mahita azy ireo na mahalala ny toerana mety hahitana azy na koa ahatrarana azy dia iangaviana hampandre ny mpitandro filaminana akaiky azy na koa hiantso ny Section des recherches Criminelles Fiadanana Antananarivo, 034 14006 17, 034 43 574 22 »
m.L