Dia mahagaga tokoa fa dia ahitàn’ny olona fomba fampiasàna azy isan-karazany, mivoana amin’ny tokony ho izy ny finday. Tany amin’iny faritra Vakinankaratra dia roalahy mpampihorohoro olona amin’ny laharana tsy fantatra no tra-tehaky ny zandary. Efa maro ireo olona no lasibatr’izy roalahy ireto, ary ny fianakaviana lasibatra farany teo, raha ny vaovao dia efa nahazon’izy ireo vola aman’hetsiny maro.
Raha ny fampitam-baovao azo dia tonga nametraka fitoriana teo anivon’ny zandary ny fianakaviana iray monina ao Ambano, distrika Antsirabe II. Misy olona mandefa hafatra amin’ny laharana tsy fantatr’izy ireo mantsy ary mandrahona azy ireo. Mbetika mandrahona ny hanafika ilay tokatrano ary mbetika mandrahoana ho faty mihitsy. Tena mampihorohoro ara-bakiteny ary mba ho tambin’izany dia mitaky volabe tamin’ireto olona ireto. Nanao ny fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana tamin’ny alalan’ny fitsirihana ilay laharana mandefa hafatra. Tsy ela dia tra-tehaky ny zandary tao Ambohimiarivo sy Belazao izy roalahy ireto ary niaiky fa izy ireo nanao io fampihorohoroana io. Tetsy andanin’izay koa moa, nony tratra izy ireo dia nisy ireo olona tonga teo anivon’ny zandary nilaza ihany koa fa efa niharan’io karazana fampihorohorona io. Notazomina natao andrimaso avy hatrany moa izy ireo, ho amin’ny famotorana savaranonando, nialohan’ny nanolorana azy teny anivon’ny Fampanoavana.
m.L