Fanendahana, herisetra ary fampihorohoroana. Saika mizaka ny tsy eran’ny aina ireo mponina eny amin’iny faritra Andavamamba iny amin’ny afitsok’ireto roalahy ireto, izay fantatra amin’ny anarana hoe Tina Biby sy Nicolas. Hifarana hatreo anefa izany.
Anisan’ny antony iray mbola mampahazo vahana ny resaka tsy fandriampahelamana amina faritra iray dia ny tsy fahasahian’ireo mponina eny an-toerana milaza ireo olon-dratsy ao aminy. Na io noho ny tahotra na noho ny tahotry ny valifaty ataon’ilay/ireo olon-dratsy. Toy izany ity tranga teny Andavamamba ity. Efa fantatry ny rehetra izao ny habibiana ataona roalahy eny amin’iny faritra Andavamamba, ny fangalarana, ny fanendahana, ny fanaovana herisetra isan-karazany amin’izay olona sahy miatrika azy ireo saingy matahotra ireo fokonolona. Izany indrindra no nahatonga ny pôlisy nidina teny an-toerana, tao anatin’ilay hetsika « pôlisy tsy manao fanamaniana ». Teo am-panaovana herisetra tamin’olona mihitsy izy no voapaingotry ny pôlisin’ny UIR tsy nanao fanamiana, nisafo teny an-toerana, ny sabotsy lasa teo. Fa ankoatra azy roalahy ireto dia nisy mpanendaka rain-dahiny iray, nampitondra faisana ireo mpody alina sy mpiantsena maraina teny amin’iny faritra Analakely, Isotry, Petite Vitesse mitohy mankany Anatihazo amin’ny Cenam iny, no voasambotra ihany koa tamin’io fotoana io. Antenaina araka izany fa mba hisy filaminana ireto faritra ireto, izay sokajiana ho faritra mafana amin’ny resaka tsy fandriampahalemana. Na izany na tsy izany aza anefa dia mbola miantso fiaraha-miasa hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenana amin’ireo tsara sitrapo ny amin’ny fanomezam-baovao, ahafahana misambotra ireo olon-dratsy.
m.L