Faran’izay haingana ny valin’ny fanadihadiana. Lehilahy iray tao anatin’ireo efatra nanatontosa ny fanafihana tetsy Amoronakona By-pass no voasambotra tetsy Analamahitsy, raha araka ny fanampim-baovao. Izany hoe tsy niala lavitra ny renivohitra izy fa nijanona teto ihany taorian’ny fanafihana. Ny alahady teo no azon’ny sampana misahana ny heloka bevava eo anivon’ny pôlisy (BC) ny tenany. Izy raha hiverenana kely dia azo lazaina fa sisam-paty tamin’ireo mpanafika. Ny roa mantsy dia lavon’ny zandary nanao fisafoana teny an-toerana tamin’io fotoana io ihany. Vetivety dia niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy ny sary sy horonan-tsary mahakasika ny fifandonana teo amin’ny jiolahy sy ny mpitandro ny filaminana, tamin’io asabotsy tolakandro io. Hita hatramin’ny nialàn’ny ain’ny iray tamin’ireo olona aza ary nitarika avy hatrany fanentanana isan’ambaratongany izany mba tsy hamoaka sary sy horonan-tsary toa izany. Isan’ny nampahatsiahy ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina izay nanazava fa tsy mifanaraka amin’ny soatoavina malagasy ny fandefasana sary toa ireny. Samy nanana ny fijeriny ny tsirairay ary ny tsapa koa dia betsaka ny nanala ireo sary manafintohina tamin’ny tambajotra sosialy taorian’ny antso avo. Etsy andanin’izany, momba ilay voasambotra tetsy Analamahitsy dia fantatra fa efa nananan’ny BC dosie izy ireo. Ny isan’ny fantatra dia ny fanafihana ireo sinoa tetsy akaikin’ny Marais Masay. Izy koa no tompon’ny moto scooter manga nentin’ny jiolahy tetsy By-pass ary nogiazana ao amin’ny zandary. Aorian’ny famotorana azy dia hatolotra ny zandary indray ny tenany. Io vondrona io mantsy no tena miadidy ny fanadihadiana momba ity raharaha fanafihana tetsy Amoronakona By-pass ity.
D.R