- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMpanafika « cash point » no sady mpangalatra moto : Jiolahy rain-dahiny roa...

Mpanafika « cash point » no sady mpangalatra moto : Jiolahy rain-dahiny roa lahy, tra-tehaky ny polisy tetsy Anjanahary

Sarona tany amin’ireto olon-dratsy ireto moa ny basy poleta « Beretta calibre 7.65mm », niaraka tamin’ny bala valo, « big boss » iray ary akanjo maromaro fisoloana. Niaiky izy ireo tamin’ny famotorana natao azy, fa mpanao fanafihana mitam-piadiana sy mpangalatra moto.

Nandritra ny fisafoana tamin’ny alina nataon’ireo polisy avy etsy amin’ny boriboritany fahatelo, izay notarihan’ny Lehiben’izy ireo no nahafahana nisambotra ireo jiolahy rain-dahiny ireto, teny amin’iny faritra Anjanahary iny. Ny faran’ny volana lasa teo mantsy, tokony ho tamin’ny enina ora sy sasany hariva, dia nahatsikaritra lehilahy roa nampiahiahy ireo pôlisy, izay miaraka amin’ny moto ary mipetraka ampitan’ny fasam-bahiny. Niroso avy hatrany tamin’ny fisavàna ireto farany izy ireo saingy raha vao nanatona fotsiny ireo mpitandro filaminana dia namoaka ilay basy tsara fahana teny am-balahany ny iray tamin’izy ireo ary nikasa ny hampiasa izany. Sendra ny nahay sy kinga lavitra noho izy anefa ka dia tsy afa-nihetsika sy voasambotra teo ity farany. Ilay namany kosa tamin’io niezaka ny handeha hitsoaka saingy tsy lasa lavitra dia voasambotra ihany. Taorian’ny fisamborana ireto jiolahy roalahy ireto dia niroso tamin’ny fisavàna ny tranony teny Manarintsoa Afovoany ireo mpanao fanadihadiana. Hita tao an-toerana ny moto roa sy kojakojana kodiaran-droa isan-karazany. Mbola nahitana fitaovana elektronika maromaro ihany koa tany amin’ny tranon’ny vadin’ny iray tamin’ireto roa lahy voasambotra ireto. « Ireto entana hita ireo dia marihana, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena fa samy halatra avokoa ». Rehefa nirosona moa ny famotorana dia fantatra fa isan’ireo mpanafika « cash point » izy roalahy ireto. Teny amin’iny faritra Anosy iny ny iray izay nahazoan’izy ireo vola mitentina teo amin’ny fito tapitrisa ariary teo ho eo. Tsy vitan’izay, fa mbola nikasa ny handeha hanafika « pharmacie » iray eto an-dRenivohitra ihany koa izy ireo tamin’ity herinandro ity, saingy izao sarona izao. Omaly no fantatra fa natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ireto jiolahy rain-dahiny ireto, izay inoana fa nadoboka am-ponja avy hatrany. Mahavelom-bolo ary hita mivaingana tokoa ny vokatra azo avy amin’ilay hetsika ataon’ireo mpitandro filaminana, ny amin’ny fisafoana ireo elanelan-trano amin’ny faritra mafana rehetra eto an-dRenivohitra, raha toy izao foana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici