- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao Atsimondrano : Mpanafika fiara sarona teo am-pangalàna vola tany amin’ny banky

Ambalavao Atsimondrano : Mpanafika fiara sarona teo am-pangalàna vola tany amin’ny banky

Vola manodidina ny roapolo tapitrisa ariary no very nandritry ny fanafihana, fanakanan-dalana fiarabe iray tetsy Ambalavao, distrikan’Atsimondrano, ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Ravim-bola efatra hetsy ariary ary taratasim-bolan misy sora-bola mitentina 16 tapitrisa ariary. Teo am-pangalana ity taratasim-bola ity tany amin’ny banky iray tetsy 67ha izy ireo no voapaingotra. Taorian’ny fanafihana mantsy dia nampilazàna sy natao fanohanana ilay taratasim-bola. Marihana fa olona roa ireto voasambotra ireto, vehivavy sy lehilahy, izay ahiahiana fatratra ho isan’ireo mpanafika na anisan’ireo ati-doha tao ambadik’ity fanafihana ity.

Tsiahiviana fa andian-jiolahy maromaro no nanao ny fanafihana tamin’io fotoana io, izay nahagaga ihany fa avy hatrany dia nitily ity fiarabe ity. Mahalana dia mahalana mantsy ireo olon-dratsy no mitily ireny fiara ireny, noho izy ireny efa fantatr’izy ireo fa tsy dia misy vola firy. Tamin’ity indray mitoraka ity dia ankevitry ny efa fantampatr’ireo olon-dratsy ihany ny fisian’io vola tany amin’izy ireo, antony ny fanafihana. Efa eny am-pelan-tanan’ireo mpitandro filaminana moa ny raharaha ary efa mandeha ny famotorana ireto olona roa ireto sy hikarohana ireo mety ho namany

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici