Niainga tamin’ny poa-basy indroa miantoana ny raharaha. Io no nanaitra ny polisy eo anivon’ny komisaria 67ha izay nidina an-tsehatra avy hatrany teo an-toerana. “Lehilahy iray nikasa hanatanteraka halatra mitam-piadiana no voasambotra. Tokony ho tamin’ny dimy ora hariva no nitranga. Izy ireo no nikonokonona fanafihana tranombarotra lehibe iray teny amin’ny faritra 67ha. Tratra ny iray tamin’izy ireo raha tafitsoaka kosa ny roa hafa. Basy vita gasy sy bala miisa roa no tratra teny aminy. Nidoboka am-ponja eny Antanimora ity farany” raha araka ny fizaram-baovaon’ny polisy. Etsy ankilan’izany, nisy vokatra koa ny polisy avy ao Ambohijatovo nandritra ny fisafoana nataon’izy ireo teny Antsahabe ny alin’ny alahady 15 septambra teo. Jiolahy niaraka tamin’ny antsy lava sy « barre à pince » no nifanjenjehana hatreny Ambanidia. Efa nidoboka am-ponja eny Antanimora koa ireo olon-dratsy ireo. Teny Maroroha-Tsimbazaza indray dia nisy zatovolahy izay nahatratrarana rongony anaty fonosana teny aminy ary nosamborina. Eny amin’io toerana io dia isan’ny tena betsaka mpifoka rongony sy mpitsindrona rôrô ary manao ratsy avy eo. Voasambotra ireo farany.
D.R





