Tato ho ato izay dia ireo taxi, ny mpamily sy ireo mpandeha, indray no lasibatry ny asan-jiolahy. Roalahy saika hanendaka taxi iray teny amin’iny faritra 67Ha iny no saron’ny mpitandro filaminana, raha tsy nahatanteraka ny asa ratsiny. Omaly vao maraim-be, tokony ho tany amin’ny 1ora maraina tany ho any no nisy bandy roalahy manodidina ny 21 sy 29 taona teo ho eo no nanakana taxi iray, teo anoloana trano fisakafonana teny amin’ny faritra 67ha Avatra iny. Nilaza ny handeha ho any Analakely izy roalahy ireto. Vao niala kely teny an-toerana anefa dia mody nivadika tao aloha ny iray, raha efa nanambana zava-maranitra sy nanakenda ilay mpamily kosa tetsy andanin’izay ilay namany, nitaky ny vola rehetra. Tao anatin’izany anefa, somary nanohitra ilay mpamily ka afaka teo ambany gejan’ireto olon-dratsy ihany. Nitsoaka avy hatrany ity rangahy sofera ity ary nohidiny tao anaty fiara tao ireo jiolahy. Sendra ny vintana nitsiky ihany koa fa tamin’ny ora nisian’ny fisafoan’ny pôlisy avy ao amin’ny boriborintany fahafito mihitsy ilay zava-nitranga ka dia noraisim-potsiny tao ireto mpanafika taxi ireto. Tovolahy mipetraka eny amin’iny faritra Anosipatrana sy Andraharo iny ireto olon-dratsy ireto ary niaiky ny heloka vitany tao anatin’ny fanadihadiana natao azy. Raha ny filazan’izy ireo mantsy dia ny vola fotsiny no saika halainy tany amin’ity mpamily ity fa tsy nanan-tsaina hamono izy ireo. Zavatra tsy dia azo inoana loatra raha ny afitsok’ireo totakely amin’izao fotoana. Ny sasany mantsy rehefa tsy mahazo izay ilainy dia avy hatrany dia vono sy daroka, miharo tsindrona antsy no miantefa mivantana eny amin’ireo olona, na ny mpamily io na ny mpandeha voatafika. Omaly ihany no nohenoana teny anivon’ny Fampanoavana ireto olon-dratsy ireto.
m.L