- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversAndilamena : Mpanakan-dalana roa lahy maty voatifitry ny zandary

Andilamena : Mpanakan-dalana roa lahy maty voatifitry ny zandary

Vita hatreo ny amin’ireo dahalo raindahiny, mpanakan-dalana sy mpanao fanafihana mitam-piadiana any amin’iny distrikan’Andilamena iny. Omaly, tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina dia nisy ny fifanjevoana teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo dahalo mpanao asa ratsy tamin’iny faritra iny. Vokany, maty voatifitra ny roa mpitarika ireto andian’olon-dratsy ireto, izay fantatra amin’ny anarana hoe Ndrepeno sy Legodrony. Tafaporitsaka kosa ny namany. Araka ny fantatra dia isan’ireo tompon’antoka tamin’ny fanafihana taxi-brousse avy aty an-drenivohitra hihazo an’Andilamena izy ireo. Tranga niseho ny alin’ny 29 jona lasa teo, tamin’iny lalan’i Vohitraivo iny. Marihina fa tsy nisy aina nafoy oa tamin’io fotoana io fa ny fitaratr’ilay fiara no vaky, ary nandositra avy hatrany ireto farany vantany vao tonga haingana ny zandary.

Tsy vitan’io fanafihana io fa mbola ny ekipan’ireto olon-dratsy maty voatifitra ireto ihany koa no tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana nihatra tamin’ny sekreteran’ny lehiben’ny boriborintan’ny kaominina Belaitso, ny voalohandohan’ny volana febroary lasa teo. Fanafihana izay nahazoan’izy ireo vola 14 tapitrisa ariary.

Marihina fa tamin’io fotoana nisian’ny fifanjevoana io dia niaraka tamin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika ireto andian-jiolahy ireto. Mbola mitohy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto, izay tafatsoaka niaraka tamin’ireo fitaovam-piadiana mahery vaika io, hoy hatrany ny vaovao azo.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici