- Publicité -
samedi, septembre 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpanakanto Rolf : Arahan'ny fitsaràna maso

Mpanakanto Rolf : Arahan’ny fitsaràna maso

Fanompàna sy fanalàm-baraka ny mpiray asa aminy izay mivondrona eo amin’ny sendikan’ny mpanankanto. Izany dia avy amin’ny fanehoan-keviny tamin’ny alàlan’ny tambajotram-piarahamonina Facebook. Ireo no antony nitorian’ny sendikan’ny mpanankato an’i Rolf Razafindrakoto. I Paul Bert Rahasimanana no nisolo tena ny sendika ary nitondra ny fitoriana. Ireo olona izay nizara ilay fanehoan-kevitra izay amin’ny ankapobeny dia miharo fiantsiana dia nokarohina koa ary nanokafana fanadihadiana. Miisa telo izy ireo no niara-natolotra ny fampanoavana tetsy Anosy omaly, niaraka tamin’i Rolf. Nanapa-kevitra ny teo anivon’io rafi-pitsaràna io ny nandefa ny antontan-taratasy eo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana. Izany hoe nosokajiana ho toy ny dosie mafana ilay raharaha. Tapak’iretsy farany rehefa nalaina koa ny hevitry ny Tonia mpampano lalàna, ny fametrahana an’i Rolf sy ireo mpiantsehatra telo amin’ny facebook ho eo ambany fanaraha-mason’ny fitsaràna. Na tsy nidoboka am-ponja aza dia voafetra ny zo rehefa arahin’ny fitsaràna maso. Matetika dia tsy mahazo mandia faritra na faritany. Eo koa ny tsy maintsy handehana eny amin’ny biraon’ny mpitandro ny filaminana na koa ny tompon’andraikitry ny fitsaràna izay misahana ny dosie, entina hanaporofoana fa tsy nitsoaka. Indraindray koa aza dia raràna ny fiseraseràna aman’olona na koa mijanona mihitsy ny asa. Lava ny lisitry ny zo izay very mandritry ny fotoana voafetra, ny marimarina kokoa mandritry ny fanadihadiana izay ataon’ny mpitsara mpanao famotorana ary mifarana amin’ny fivoahan’ny didim-pitsaràna. Tsy mbola nivoaka ny daty hitsaràna ity raharaha ity ary mbola handalo fanadihadiana lalina rahateo ireo olona efatra voakasika mialohan’izany. Mahakasika ny feo nandeha momba ny fanampiana ara-bola (iray tapitrisa ariary) ny artista no nampisafoaka an’i Rolf. Izay nizara ny facebook nizarany hevitra koa dia niharan’ny fanenjehana ara-pitsaràna taorian’ny fitoriana napetrak’i Rossy amin’ny maha-mpanakanto azy koa mpikambana eo anivon’ny sendika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici