- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversMpanamory scooter : Nisy mpanamory voavely "bois rond" indray

Mpanamory scooter : Nisy mpanamory voavely « bois rond » indray

Raha noheverina fa mba hijanojanona kely ny famonoana sy herisetra izay mianjady amin’ny mpitaingina kodiaran-droa, taorian’ny antso avo nataon’izy ireo, ny ampitson’iny indray dia efa nisy voavely « bois rond ». Tetsy Andohatapenaka no niseho ilay fandrobàna. Lehilahy iray nitondra scooter ary nandalo teo amin’iny làlana Digue mifanandrify amin’ny toerana voalaza no nisy niampita tampoka. Olona roa izany ary namoaka hazobe sy nively ilay mpanamory scooter. Sady naratra no nianjera ny moto. Soa ihany anefa fa mbola velona ilay kodiaran-droa voaarin’ny tompony faran’izay haingana ka mba afaka nitsoaka. Naratra ny loha sy ny vatana fa mba afaka tamin’ny fikasàn’ireo olon-dratsy aloha na teo aza izany rehetra izany. Nanatona ny polisy akaiky indrindra teo izy ary tamin’ny fahatongavan’ireo teo an-toerana dia efa tsy hita intsony izay nanjavonan’ireo olon-dratsy. Raha tsiahivina dia vao ny zoma lasa teo no nisy nalevina ny mpandeha scooter rehefa voavelin’ny hazobe. Nampiseho fiaraha-mientana ireo mpampiasa kodiaran-droa ary nanao hetsika fisintomana ny lakolosy fanairana, teny Ambohitrimanjaka. Ny tanjon’izy ireo dia ny mba hisian’ny mpitandro ny filaminana isaky ny toerana mena amin’ny asan-jiolahy, indrindra amin’ny alina. Mahatsiaro ho miady amin’ny fahafatesana hatrany ireo mpitaingina scooter. Ankoatra ny lozam-pifamoivoizana izay efa maro tamin’izy ireo no maty na nitondra takaitra, izao koa dia lasa mirongatra ny halatra scooter izay ialohavan’ny famonoana ny mpitaingina azy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici