- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversMpanao facebook voasambotra : Aparitany ny sary mitanjak’ilay vehivavy raha tsy manaiky...

Mpanao facebook voasambotra : Aparitany ny sary mitanjak’ilay vehivavy raha tsy manaiky miray aminy

Ny ratsy tokoa tsy kely lalana ! Ary efa mindrana ihany koa ny lalan’ny teknôlojia ireo olon-dratsy hanatanterahany ny asa ratsiny. Tovolahy iray, karazan’ireo mpanjono olona anaty tambajotra sosialy irony no voasambotry ny mpitandro filaminana, ny zoma lasa teo, teny Ampasika, rehefa nandrahona hanaparitaka sarina tovovavy iray mitanjaka izay mpifanerasera taminy. Amin’izao fotoana izao tokoa, tsy kely lehibe, tsy antitra, tsy tanora, efa samy mahay mikirakira ny tontolon’ny “Facebook” avokoa. Tamin’izany indrindra no nitsirian’ny hevitr’ity lehilahy iray mpanararaotra, hilaza ho vehivavy ary namboly finamanana tamina tovovavy iray. Rehefa nandeha ny fotoana dia nilaza ho nahita asa sady tonga dia raikitra ho an’ity namany izy. Roboka ny ankilany. Mialoha ny hidirana anefa dia mila mandefa sary ity tovovavy voajono, ary sary miboridana ambonin’izay. Dia nandefa tokoa ilay tovovavy. Taty aoriana, niseho amin’ny maha izy azy amin’izay ranamana. Nandrahona an’ity namany fa raha tsy manaiky miray ara-nofo aminy dia haparitany anaty Facebook ny sary miboridan’ity tovovavy. Nametraka fitoriana ity farany araka izany. Voasambotra tetsy akaiky ny toby fivarotan-dasantsy iray tetsy Ampasika ity mpandrahoana ity rehefa mody nolazaina fa nekena ny fangatahany. Natolotra ny fitsaràna omaly ity lehilahy ity. Ekena fa isan’ny fitaovana iray tsy afa-misaraka amin’ny ankabeazan’ny daholobe ireo tambajotra sosialy isan-karazany. Na izany aza anefa mila fitandremana fatratra ny fampiasana azy fa tsy ho mora voajonon’ireo olon-dratsy mora foana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser