- Publicité -
jeudi, juillet 24, 2025
- Publicité -
AccueilÀ lireIlontsera : Mpanao gazety 100 hisitraka fampiofanana

Ilontsera : Mpanao gazety 100 hisitraka fampiofanana

Atrikasa tao Toliary ny datin’ny 20-21 Febroary lasa teo

Iray amin’ireo tetikasa tohanan’ny Unesco tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa iraisam-pirenena ho fampandrosoana ny serasera ny tetikasa Mahaaloke karakarain’ny ONG Ilontsera.  Ny Mahaaloke midika hoe Miaro dia tetikasa hampandaniana ilay volavolan-dalàna izay efa nahatratra 16 taona no niandrasana ny fampandaniana azy teo anivon’ny Antenimierampirenena sy ny governemanta saingy noho ny zava-nisy teto amin’ny firenena sy ny tsy fahampian’ny adisisika dia mbola nihantona teo izy ity.

Ny LAICP « Loi sur l’accès à l’information à caractère publique »  na ilay tolo-dalàna novolavolaina tamin’ny taona 2006 saingy noho ny antony maro dia mbola anatin’ny adisisika sy haitaky ny mpanao gazety ho fampandaniana io volavolan-dalàna io. Natao ity tolo-dalana ity mba hahafahan’ny olom-pirenena tsirairay tsy ankanavaka indrindra fa ny mpanao gazety hisitraka ny antontan-taratasy sy tahirin-kevitra marina sy ofisialy eny anivon’ny ministera sy sampandraharam-panjakana isan-karazany  sy ny tsy miankina ihany koa.

Navadika ho « charte »ity volavolan-dalana ity taorian’ny fitondrana tetezamita ka sampandraharaha 27 no nanaiky fa hanatanteraka ireo fepetra voalaza ao anatin’ny volavolan-dalàna hametrahana rafitra hitantana sy hikirakira ary hizara ireo tahirin-kevitra  eny amin’ny sampandraharaha isan-karazany. Nisy ihany koa ny fametrahana « annuaire » mampahafantatra fa misy ny Ivon-toerana hakanana ireo tahirin-kevitra, antsoina hoe CDI. Ankoatra izay efa nisy ny paikady amin’ny fanamafisana sy fampiofanana ireo mpikirakira ny tahirin-kevitra eny anivon’ny sampandraharaham-panjakana.

Mitohy ny adisisika sy haitaky ankehitriny, paikady iray entina hanatanterahana izany ny fampiofanana mpanao gazety hahafahan’ireto farany mahafantatra bebekokoa ity volavolan-dalàna ity sy hananana paikady entina hampandaniana azy. Mpanao gazety 100 eto amin’ny Nosy no misitraka fampiofanana ankehitriny manerana ny renivohi-paritany. Mitety faritany ny ONG Ilontsera manatanteraka ity fampiofanana sy fanamafisana ny fahaiza manaon’ny mpanao gazety ity. Hampirindra ny fandaminana dia avondrona amin’ny renivohi-paritany ireo mpanao gazety avy amin’ny faritra maro, efa nahavita ny azy ny faritra atsimo dia tao Fianarantsoa sy Toliara.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici