- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMpanao gazety Fernand Cello : Hodidiana anio noho ny vono sy daroka...

Mpanao gazety Fernand Cello : Hodidiana anio noho ny vono sy daroka nanjo azy

Efa mihatsara ny fahasalamany, saingy tsy maintsy hodidiana ny orony ary hahitsy. Anio no hanatontosana an’izany eny amin’ny hopitaly. Raha tsiahivina dia tsy nahatsiaro tena ity mpanao gazety ity taorian’ny nanafihana azy tao an-tranony, ny alakamisy lasa teo. Nentina tany amin’ny hopitaly iray tao an-toerana izy ary voatery nanofana fiara niakatra nankaty An-drenivohitra mba hiarovana ny ainy. Mba tsy nisy ny fahatapahan’ny lalandrà tany amin’ny lohany rehefa natao ny fitiliana rehetra. Mafy ny daroka nanjo azy, daroka izay nataon’ny efa-dahy mirongo fiadiana, raha araka ny fitantaran’i Fernand Cello. Io farany dia mahita fa misy ifandraisany tamin’ny fanadihadiana nataony mahakasika ny fisian’ny halatra taova tany amin’iny faritra iny izao fifofoana ny ainy izao. Efa  fantatry ny mpitandro ny filaminana izany ary izy ireo rahateo dia manao fanadihadiana mahakasika ny mety ho fifandraisan’izany toe-javatra roa izany, hoy hatrany i Fernand Cello. Notohizany fa efa nisy ny olona nosamborina ary mbola mitohy hatrany, raha araka ny fantany ihany, ny fikarohana ireo mpiray tsikombakomba. I Fernand Cello dia matetika  mahazo fandrahonana ho faty ao anatin’ny fanatontosana ny asany. Izy rahateo dia sahy namoaka ny zavatra hitany mahakasika ny fandrobana fananam-pirenena any amin’iny manodidina an’Ilakaka iny. Mbola izy ihany koa no tonga taty Andrenivohitra ary nanome ny porofo rehetra tamin’ny ambaratongam-pitsarana, fa tsy nandeha tamin’ny laoniny ny fifidiana iray tany an-toerana.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici