Raha efa tsy any an-toerana intsony i Avimana Cello, mpanao gazetin’ny Radio Jupiter, izay mitondra ny anarana Fernand Cello, dia ny havany ao an-toerana indray no niharan’ny tsindry nanomboka afak’omaly. “Nisy olona tonga indray tao amin’ny anabaviko ary nitady ahy. Raha ny marina dia mpitandro filaminana izy ireo ary nilaza fa manakorontana ny filaminam-bahoaka aho ka tadiavina. Nohazavain’ny anabaviko teo fa efa tsy eto an-tanàna intsony aho fa nitsoaka any an-drenivohitra, izay vao niala teo ireo mpitandro ny filaminana” raha araka ny fanazavan’i Fernand Cello. Manaraka izany dia nahazo antso tamin’ny Jeneraly iray ihany koa ny zokiny ary miendrika tsindry hatrany ny resaka tao anatin’izany, hoy hatrany ity mpanao gazety ity. Ny lehiben’ny Faritra ao Ihorombe dia efa nanazava tamin’ny fampitam-baovaony fa mitombina tanteraka ny fanadihadiana nataon’ity mpanao gazety ity tao amin’ilay faritra voaaro. Vokatr’izany dia nesorina avy hatrany ny lehiben’ny fokontany sy ny zandary niasa tao Bepeha. Nipetraka kosa anefa ny fanontanian’ny maro hoe vitan’ny fanalàna amin’ny toerana fotsiny ve ny heloka toy izany? Tsara homarihina mantsy fa heloka bevava ny fidirana tsy nahazoan-dalana ao anaty faritra arovana. Manginy fotsiny ny fitrandrahana tsy ara-dalàna tao anatiny, izay marihina ihany fa tonga hatramin’ny fahafatesan’ny olona iray. Hatreto dia tsy nisy fanazavana ofisialy avy amin’ny manam-pahefana mahakasika iny raharaha iny. Ny an’ny lehiben’ny Faritra ihany no hita saingy izany ary dia tamin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy no nandefasana azy. Marobe ny fikambana tsy miankina amin’ny fanjakana nangataka ny hametrahan’i Fernand Cello fitoriana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Nilaza ny voakasika fa hiditra amin’izany raha toa ka tsy misy ny fivoaran-javatra. Tsara marihina tokoa mantsy fa ny fiverenany any amin’ny tananany aza dia efa olana ary izao fandrahonana isan-karazany izao dia tokony hisy fepetra horaisin’ny fanjakana. Saingy tsy nisy mivaingana aloha hatreto…
D.R