- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMandritsara : Mpanao gazety nosamborina

Mandritsara : Mpanao gazety nosamborina

Zandary avy eto an-drenivohitra no tonga tao Mandritsara. Nosavaina ny solosaina maro tao amin’ny cybercafé sasan-tsasany tao an-toerana. Iny andron’ny alakamisy iny koa dia nosamborina ny mpanao gazety Ndriamitana, miasa eo anivon’ny onjam-peo Vaovao Mahafaly ao Mandritsara. Notazomina tao amin’ny biraon’ny zandary tao an-toerana izy iny alina iny ary ny ampitso vao maraina dia nentina aty an-drenivohitra ary nanokafana fanadihadiana tao amin’ny toby Ratsimandrava. Tsy nisy nivoaka ny vaovao hatreto saingy raha ny tsilian-tsofina avy any Mandritsara dia mahakasika fanomezany vaovao momba ny Jirama an’ny olona iray any ivelany no azo heverina ho nisamborana azy. Ny sampana miady amin’ny heloka amin’ny internet no misahana ny fanadihadiana. Betsaka ny manara-maso ity raharaha ity, na ny fianakaviam-ben’ny mpanao gazety na ny mpikirakira tambajotra sosialy. Amin’ny ankapobeny dia tsikaritra fa sakana lehibe amin’ny fahalalahana miteny ity lalàna mifehy ny heloka an’habaka ity, indrindra ho an’ny mpikirakira vaovao. Raha mba efa vita mantsy ny dingana izay tsy hanasaziana ny asa an-gazety araka ny fehezan-dalàna famaizana intsony, ato amin’ny lalàna momba ny cybercriminalité indray no matetika hanenjehana azy ireo. Tamin’ity taona ity fotsiny dia efa nisesy notsaraina teo ry Kamy Mickaelys Ndiamahazo, ry Patrick Raharimanana ary izao indray dia mihitatra any Mandritsara ny raharaha. Na ny olona izay isan’ny tena nanorina io lalàna momba io cybercriminalité io aza dia any am-ponja ankehitriny rehefa tsy teo amin’ny fitondràna intsony ary nanenina tanteraka satria isan’ny nanenjehana azy ny lalàna izay mahakasika izany ihany. Efa betsaka ihany no nisintona lakolosy tokana momba ity lalàna ity ho sakana ho an’ny demokrasia, hatreto anefa tsy mbola misy na iray akory aza ny solombavam-bahoaka na senatera na koa minisitra izay mba nanolotra volavolan-dalàna hanatsaràna izany. Dikan’izany, mety tsara amin’ny manam-pahefana ny lalàna voakasika.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici