- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversToamasina : Mpanao gazety telo nisy nitory

Toamasina : Mpanao gazety telo nisy nitory

Manao tohivakana ny fitoriana mpanao gazety ao an-drenivohitr’i Toamasina. Miisa telo indray no ampanantsoina saingy tsy eny amin’ny mpitandro ny filaminana fa kosa eny amin’ny prefektiora. Mahakasika fizaram-baovao tamin’ny tambajotra sosialy Facebook ny raharaha raha araka ny tomban’ireo mpanao gazety. Misy amin’ireo farany no Filohan’ny fikambanan’ny mpanao gazety ao Toamasina. Mahakasika resaka politika ny anton’ilay fitoriana ary fikambanana no nitory. Amin’ny alatsinainy hoavy izao izy ireo no hampanantsoina. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe angaha tsy ny sampana miandraikitra ny heloka an’habaka ihany no tokony afaka manokatra fanadihadiana raha toa ka fizaràna tamin’ny facebook no anton’ny fanenjehana? Mivondrona ireo mpanao gazety ao Toamasina manoloana ny zava-misy ary manaraka akaiky ny fivoaran’ny raharaha. Tsiahivina fa vao roa herinandro talohan’izao no nisy naman’izy ireo izay nivezivezy teny anivon’ny mpitandro ny filaminana sy fampanoavana noho ny fitoriana, mbola resaka fizaram-baovao tamin’ny tambajotra sosialy ihany koa. Lasa mateti-pitranga arak’izany ny fanenjehana ny mpanao gazety avy amin’ny fanehoan-keviny amin’ny tambajotra sosialy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici