Omaly no natolotra ny Fitsarana tetsy Anosy i Rija Mainty ka nampidirina eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy rehefa voasambotra teny Ampandrana ny zoma lasa teo, vokatry ny angom-baovao nataon’ny polisy avy ao amin’ny Brigade criminelle Anosy rehefa heno fa nihaodihaody teto Andrenivohitra.
Araka ny fampitam-baovao dia efa nokarohina nanomboka ny taona 2014 ity lehilahy ity noho raharaha fakana an-keriny (kidnapping) sy fanafihana mitam-piadiana tany Toamasina ny taona 2012. Heloka izay efa nampigadra azy ka isan’ny mbola anenjehana azy. Voarohirohy ihany koa izy amin’ilay kidnapping nitranga teny Ambohimanambola ny volana desambra 2016 sy teny Ivandy ny febroary 2017.
Mikasika ilay fakana an-keriny ilay zanaka Karana mpandraharaha teny Andranomena, ny talata maraina teo kosa, izay andrasan’ny maro tokoa ny mety ho fivoaran’ny raharaha, dia nilaza ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa mitohy ny fikarohana sy ny fanadihadiana. Araka ny vaovao farany, tsy mbola nisy hatreto ny fitakiana vola na koa fifandraisana an-telefaonina teo amin’ireo mpaka an-keriny sy ny fianakavian’ilay ankizilahy mpianatry ny Lycée Français ity. Manome toky, anefa, ny eo anivon’ny polisim-pirenena fa tsy maintsy ho hita ny marina momba iny raharaha iny satria ezaka lehibe atrehan’izy ireo ankehitriny ny ady amin’ny kidnapping sy ny fanafihana mitam-piadiana izay mitady hahazo vahana tato ho ato.