- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversImerinkasinina : Mpanao Run matin’ny lozam-pifampivoizana

Imerinkasinina : Mpanao Run matin’ny lozam-pifampivoizana

Fiara izay efa namboarina manokana ny tanjany mba hihazakazahana

Potika tanteraka ny fiara Hyundai I30, fiara matanjaka izay fanaovany fifaninana run matetika. Maty tsy tsa-drano koa izy rehefa nivoaka ny làlana ny fiara ka niafara tany anaty hantsana. Ny alin’ny alarobia teo no nitranga ny lozam-pifampivoizana teny amin’ny làlana mihazo an’Imerinkasinina. Ampahan-dàlana izay mba anisan’ny sisa tsara eto an-drenivohitra saingy lasa fanamparan’ireo mpisetrasetra amin’ny mekanika ny hadalany indraindray. Efa betsaka ny namoy ny ainy teo ary lasa makome endrika ratsy ho an’ny tanàna manodidina ny fisian’ny lozam-pifamoivoizana matetika. Tamin’io alarobia io, vao avy nanatitra ny vady aman-janany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ilay lehilahy. Avy any dia mba niarakaraka tamin’ny namany telo izy teny Imerinkasinina. Efa vita ny fiarahana ary rehefa niala teny dia nanitsaka mafy kinanjo nitera-doza izany. Ireo olona telo mba avotra ihany saingy mbola miady mafy noho ny dona. Misy hatramin’ny tapaka lamosina. Ny vady aman-janaky ny maty kosa, vao tonga tany amin’ny nandehanana dia vaovao ratsy no heno ary avy hatrany dia nitodi-doha niverina indray.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici