- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversMpanao trafikana sokatra : Any am-ponja no atidoha mikotrika azy

Mpanao trafikana sokatra : Any am-ponja no atidoha mikotrika azy

Nilatsaka ny didy : roa taona an-trano maizina, niampy lamandy 4 tapitrisa ariary mahery, sazy mihatra no azon’ilay olona mpanao trafikana sokatra taorian’ny niakarany fitsaràna tao amin’ny tribonaly Ambovombe, ny alatsinainy lasa teo. Nandritra ny fanadihadiana azy tamin’io fotoana io dia nilaza izy fa olona iray efa fantatra amin’ity resaka fanondranana sokatra ity no ati-doha nikotrika azy. Ity farany, izay efa naiditra am-ponja tamin’iny volana jona lasa teo iny. Araka ny fantatra dia efa isan’ny rain-dahiny amin’ny fanondranana sokatra an-tsokosoko ihany ity olona niakatra fitsaràna ity. Efa maro dia maro ireo fitarainana azo mahasika ity olona ity voaray teny anivon’ireo mpitandro filaminana mahasika ity trafikana sokatra ity. Anisan’izany ny resaka fanondranana sokatra 1150, tamin’ny novambra 2015. Fa eo ihany koa ny tamin’ny martsa 2016, izay mbola nahavoarohirohy azy ihany tamin’ny resaka sokatra 35 isa. Efa ela nifampitadiavana ity olona ity, raha ny fampitam-baovao hatrany, saingy voasambotra ihany nony farany. Nasiaka avy hatrany rahateo ireo tompon’andraikitry ny fitsaràna amin’ity resaka fanondranana an-tsokosoko ity. Antony nahatonga ilay sazy henjana nomena ity olona ity. “Sahaza tsara ho an’ireo mpanondrana an-tsokosoko ny sazy tahak’izany” hoy ny Alliance Voahary Gasy, isan’ireo sampan-draharaha miady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harena voajanahary. Ary isan’ny angady nanana ihany koa tamin’ny fisamborana sy ny fahatratrarana ireto olona mpanao trafikana sokatra ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici