- Publicité -
mardi, juin 17, 2025
AccueilFaits-DiversMpandraharaha nanjavona : Hita faty tao ambany tetezan’i Brickaville ny roa !

Mpandraharaha nanjavona : Hita faty tao ambany tetezan’i Brickaville ny roa !

Efa natsidika tamin’ny gazety teto ihany ny fanjavonan’ny mpandraharaha efatra samihafa tany Toamasina. Ny roa tamin’izy ireo dia lahy ary niaraka ny nividy lafarinina an-taoniny maro, kinanjo tsy hita niaraka tamin’ny vola. Efa ho roa volana taty aoriana, izany hoe tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity, tao ambanin’ny tetezana tao Brickaville. Nifatotra tongotra aman-tànana ireo roalahy ary nitampina “scotch” ny vavany, raha araka ny fanazavan’ny fikambanan’ny Betsileo (mpikambana ao izy roalahy) ao Toamasina; izay nanao ny fikarohana azy ireo. Raha araka ny tomban’ny mpitandro filaminana izay nampian’ny dokotera nijery ifotony teny an-toerana, dia efa tsy latsaky ny tapa-bolana raha kely indrindra ny nahafatesan’ireo olona ireo. Efa simba tanteraka araka izany ny razana. Ny tapaky ny volana jolay teo no nanomboka tsy hita izy ireo, raha nanatona ny olona iray izay nilaza fa mahita lafarinina tsara vidy. Nanomboka teo dia tsy hita intsony izay nanjavonany ary maty tanteraka ihany koa ny finday. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny zandary ary tonga hatraminy nanolorana ny fampanoavana ireo olona am-polony izany, saingy nahazo fahafahana vonjimaika avokoa aloha izy ireo. Tsy nitazam-potsiny anefa ny fikambanan’ny Betsileo, ka niakatra taty an-drenivohitra indray niezaka nitady izay rehetra tao ambadiky ny raharaha. Saingy teo Brickaville dia nijanona rehefa nahita ireo olona notadiavina izay efa lasa razana, indrindra koa…potika. Tsy nentina niverina tany Toamasina intsony ireo razana fa avy hatrany dia nalefa any Ambositra, raha araka ny vaovao azo avy any an-toerana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser