- Publicité SW45 -
dimanche, septembre 8, 2024
AccueilFaits-DiversMpandraharaha ny fonja Toamasina : Noraisin’izy ireo ihany ireo antontan-taratasy mety hiteraka...

Mpandraharaha ny fonja Toamasina : Noraisin’izy ireo ihany ireo antontan-taratasy mety hiteraka tsy filaminam-bahoaka

Herinandro omaly alatsinainy ny fitokonan’ireo mpandraharaha ny fonja manerana ny nosy, tahaka ny nataon’ireo namany tao amin’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy.

Tao anatin’izay fitokonana izay anefa dia mbola nisy antontan-taratasy mamonja olona niisa teo amin’ny enina teo tsy maintsy noraisin’izy ireo, araka ny baikon’ny lehiben’ny fonja sy ny fampanoavana, noho ireo antontan-taratasy ireo mety hisy fiantraikany amin’ny filaminam-bahoaka noho ny raharaha fanenjehana resaka vono olona sy heloka be vava avokoa. Tsy nahafaly ireo mpandraharaha ny fonja sasany izany noho ny tolona iarahan’izy ireo amin’ny namany, ary baiko nidin’ny syndika ny tsy handraisana antontan-taratasin’ny fitsarana mihitsy, afa-tsy ny fisahanana ny efa voafonja ihany. Nefa tsy maintsy natao ny fandraisana ireo tena fahavalom-piarahamonina amin’ny tsy filaminana, hoy ny lehiben’ny fonja ao Toamasina Ralay Christian, noho ny fitsinjovana ny vahoaka; saingy tsy tokony hanaovana ankilabao ny mpandraharaha ny fonja satria isan’ny mitandro ny filaminam-bahoaka ihany izy ireo, amin’ny fifehezana ireo jiolahy mahazo sazy avy amin’ny fitsarana.

Araka ny angom-baovao anefa amin’izao fidiran’ny fitokonana amin’ny herinandro faharoa izao, dia efa misy fihetsehana ny minisiteran’ny fitsarana, sy ny fanjakana amin’ny ankapobeny, amin’ny famahana ny olan’izy ireo, satria nisy ny resaka efa nifanaovan’izy ireo tamin’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana vaovao izay mahalala tsara ny olana sedrain’ny fandraharahana ny fonja malagasy.

Malala Didier

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici