- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversMpanely tsaho tamin’ny Facebook : Nadoboka eny Antanimora vonjimaika

Mpanely tsaho tamin’ny Facebook : Nadoboka eny Antanimora vonjimaika

Lehilahy iray manodidina ny 39 taona no nadoboka am-ponja vonjimaika taorian’ny fihainoan’ireo mpitsara mpanao famotorana azy teny Anosy. Voarohirohy tamin’ilay resaka firodanan’ny tonelina Ambanidia ity ranamana ity satria izy no isan’ny fositra tamin’ny fielezan’ilay vaovao tsy marina tao anaty tambajotra Facebook. Ny ampitson’ny nielezan’ilay tsaho, izany hoe ny alarobia teo, ity mpiondana tambajotra sosialy ity no voasambotry ny pôlisy misahana ny ady heloka bevava etsy Anosy teny Andavamamba. Nitarika fikorontanana teto an-drenivohitra tokoa iny resaka tonelina nirodana iny, ary nampisy fiantraikany maro tamin’ny fiaimpiainana sy ny andavanandron’ny mponina mihitsy. Noho izay resaka korontana naterak’ilay vaovao tsy marina izay no antony nandraisan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana fepetra ny amin’ny loharano niavian’ilay tsaho. Nisy araka izany ny fifandrimbonan’asa teo amin’ny « Direction d’Information de Système Informatique et Transmition (DISIT), ny BC ary ny Cybercriminalité, ka izao nahasarona an’ity ranamana ity izao. Niaiky tanteraka moa izy tamin’ny fanadihadiana natao azy fa nanaparitaka izany vaovao diso izany. Asa, tsy nampoizina hisy fiantraikany lehibe tahaka an’iny angamba ilay tsaho naeliny. “Nofafany mantsy rehefa vita ny fanaparitahana nataony ary mba ho fampilazana ireo fianakaviany no antony” raha ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisy hatrany. Omaly no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana ity lehilahy ity ary dia izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao. Izany tokoa ilay hoe zavatra tsy voahevitra kely foana dia mety hampiditra angano !

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici