Hafa kely ity tranga nisy teto Toamasina ity, fa ilay rangahy nanendaka azy ihany no latsa-pitiavana taminy noho ny farany ka nosaborim-potsiny teo am-panaovana fotoana manokana. Ny alatsinainy hariva teo dia nisy ramatoa iray niaraka tamin’ny “cousin”-ny teo Ambohijafy nisy nanendaka. Lasa tamin’izany ny poketrany sy an’ity “cousine”-ny ity, izay nisy finday sy karapanondrom-pirenena. Raha nametraka hafatra fohy tao anatin’ilay finday lasan’ireto mpanendaka ilay ramatoa, dia teo no niova ny fandehan-draharaha rehetra mikasika azy, satria lasa tiany tampoka ireo ramatoa noendahany. Nifanao fotoana izy ireo tao anatin’izay ary nandritra izany no nilazany tamin’ilay ramatoa fa tiany izy ary tsy hanendaka intsony izy manomboka androany ho porofom-pitavany azy. Nilaza moa ity mpanendaka “niova fo” ity hoe “miverena eny ianareo fa ateriko eny ilay karapanondro nalaiko”. Raha tonga teny marina izy ireo dia teo tokoa ilay karatra. Teo marina no nolazain’izy roa vavy fa tena latsa-pitiavana ity mpanendaka. Nandritra ity fotoana manokana ity anefa dia efa vonona ny mpitandro filaminana avy amin’ny FIP hisambotra azy noho ny ratsy vitany. Nisy ilay fisamborana nefa nilaza hatrany ilay mpanendaka “niova fo” fa tia ilay ramatoa foana na alefa eny amin’ny fitsarana aza, “satria nahavita heloka ny tenako”, hoy izy. Mbola manantena ity mpanendaka “niova fo” ity fa hifankahita amin’ity ramatoa tiany ity. Izy ihany moa no nanondro ireo namany nandritra ity nisamborana azy tamin’ny fotoana manokana ity.
Malala Didier


