Ny vehivavy mandeha irery no lasibatry ny mpanendaka mitondra Scooter amin’izao fotoana izao. Amin’ireny sakeli-dàlana somary mivoaka kely ny arabe lehibe ireny no tena manao ny ataony ireo olon-dratsy. Teny amin’ny faritra Ambohitrarahaba tamin’ny sabotsy lasa teo, vehivavy iray niaraka tamin’ny zanany kely no voaendaka raha nihazo ny làlana ho any Amboara. Ny filazan’ilay voaendaka, tsy nanampona inona na inona mihitsy izy. Efa tsy lavitra ny trano halehany ity olona ity no mody nosongonany tamin’ny moto nentiny. Avy hatrany dia nilazany tsy hitabataba na hiantso vonjeo. Nampiany izany fa raha vao mihetsika mahery eo dia maty. Noho ny tahotra, nomena azy ny vola sy ny finday. Raha vao azaon’ilay mpanendaka izany dia lasa nandeha izy. Ilay olona torakovitra tsy nahavita na niantso aza. Tsy sambany no nisy an’izany tamin’io lalana io, herinandro maromaro lasa izay, vehivavy iray ihany koa no sendra an’ity mpanendaka mitondra Scooter ity. Kendrena tsara tsy nisy olona nandeha intsony ny lalana. Mody nanatona mora izy ary nanontany. Tsy nanana ahiahy mihitsy ilay ramatoa. Rehefa nifanakaiky anefa dia norahonany ary nasainy nanome azy ny poketra teny aminy. Nangina ny lalana tamin’izay ary lavidavitra no nisy olona nandeha. Mbola vokatry ny tahotra ny ho faty ihany, nomena an’ilay jiolahy ny poketra nisy vola saika hatao karaman’olona niasa tao aminy.
Tsy teny Ambohitrarahaba ihany anefa no nisy tranga sahala amin’iao, fa araka ny vaovao fantatra hatrany, eny Analamahitsy tsy lavitra ny fiangonana dia voalazan’ny olona fa misy izany bandy mitondra Scooter izany. Elakelatrano malalaka ilay izy. Mijanona sy mody mitelefonina ilay bandy. Raha lehilahy no mandalo, tsy mihestika izy. Ireo vehivavy dia voalaza fa endahany.
Amin’ireo fanendahana telo tanisaina ireo, eo anelanelan’ny 1 ora sy 2 ora eo no tena fanaovan’ity mpitaingina moto ity ny asa fanendahana. Moto miloka mainty misy vanditra mena, hoy ireo efa voa.
nangonin’i r.s.