Avy any Manjakaray, Andavamamba, Itaosy ary Isotry ireo andiana tontakely noraofin’ny pôlisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany, tetsy Analakely, ny alarobia lasa teo.
Enin-dahy izy ireo no voasambotra teo amin’ilay tohatohabato, làlana mankany Faravohitra iny ary samy mbola tsy ampy taona avokoa, hoy ny tompon’andraikitra voalohany miadidy ity kaomisaria ity, ny Kaomisera Ted Steven, raha tafaresaka taminay. Anisan’ny faritra mampikolay ny maro tokoa iny tohatohabato iny. Raha vao hariva fotsiny ny andro, dia efa indreo ry zalahy ireo, mody mihazakazaka sy mikotrana, hay mitily fotsiny izay haza mety harapaka. Samy lasibatra teo avokoa, na mpianatra sy mpiasa tratra hariva, mpizahatany fa indrindra ireo mpitondra fiara taraiky anaty fitohanana. Izany rehetra izany, dia efa nahazoan’ny pôlisy fitarainana avokoa. “Nandray ny andraikitray avy hatrany izahay raha vantany vao naheno izany ary nidina teny an-toerana. Ary dia izao nahitam-bokany izao”. Marihana, fa izy tompon’andraikitra voalohany mihitsy no nidina, nitarika ireo ekipany nandeha nanao fisafoana teny an-toerana.
Azo lazaina, fa efa nihena ny resaka tsy fandriampahalemana eny amin’iny faritra Analakely sy ny manodidina iny. Hatramin’ny fiandohan’ity taona ity, dia fantatra fa fitarainana manodidina ny dimam-polo eo sisa no voaray teo anivon’ity kaomisaria, ivon’ny renivohitra ity, raha ny mahakasika ny resaka fanendahana sy halatra. Na izany aza, mbola misy ireo faritra vitsivitsy, tsy hialàn’ny resaka fanendahana, hoy hatrany ny fanazavana azo. Anisan’izany ny eny amin’iny faritry ny Esplanade iny. “Eto izahay dia manentana hatrany ireo mpiantsena. Aza dia atao loatra re ny maka fanahy, amin’ny firentirentena amin’ny firavaka sarobidy sy ny entana lafovidy toy finday sy ny fakan-tsary, ny fampiderana volabe, sns, rehefa mandeha eny amin’ireny faritra ireny ianareo. Ireny rehetra ireny mantsy dia isan’ny mamoha ny sain-dratsin’ny olona ka mahavoasarika azy hanao ny asa ratsy. Ny fiadiana amin’ny tsy fandriampahelamana mantsy dia tsy adidinay mpitandro filaminana irery, fa misy ihany koa anjara birikin’ireo fokonolona” hoy hatrany ity kaomiseran’ny boriborintany voalohany ity.
m.L