- Publicité -
jeudi, février 19, 2026
AccueilFaits-DiversAnkadikely Ilafy : Mpanendaka raindahiny roalahy voasambotra

Ankadikely Ilafy : Mpanendaka raindahiny roalahy voasambotra

Vonona ny handratra sy hamono mihitsy ry zalahy ireto, raha ny fitaovam-piadiana hita teny aminy : antsy lava maranitra sy « lame » nasiana fitazomany hazo voasikotra tsara. Ny harivan’ny alahady teo no voasambotry ny pôlisin’ny UIR teny amin’ny faritra Ankadikely

iny ry zalahy ireto.

Anisan’ny faritra mampikolay ny rehetra mihitsy iny lalana manodidina ny reniranon’Imamba iny, amin’ny resaka tsy fandriampahelamana, indrindra moa fa manomboka vao maizimaizina fotsiny ny andro. Betsaka anefa ny mpindrana izany lalana izany. Tamin’io andron’ny alahady io dia olona iray no lasibatry ny mpanendaka teny an-toerana.  Ny antso vonjin’ity olona ity no nanaitra ireo mponina manodidina ary nampilazàna avy hatrany pôlisy. Tonga haingana teny an-toerana ireo polisin’ny UIR avy eo anivon’ny kaomisaria foibe eny Avaradrano, nanao fisafoana ny toerana. Raikitra ny fikarohana sy ny  fifanenjehana. Voahodidina ka tsy afa-nandositra lavitra intsony ireo olon-dratsy. Roalahy izy ireo, izay nahitàna ireto karazana zava-maranitra natao ho fitaovam-piadiana ireto. Roalahy izay fantatra, araka ny fampitam-baovao azo fa isan’ireo raindahiny sy hikoizana tanteraka amin’ny fanendahana eny an-toerana. Nosamborina avy hatrany moa ry zalahy ireto ary nentina natao andrimaso ho amin’ny famotorana tany amin’ny biraon’ny pôlisy. Heverina fa mbola misy namany ry zalahy ireto ka efa eo an-dalam-pikarohana izany ireo mpitandro filaminana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici