- Publicité -
jeudi, novembre 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosibe Tsena : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny pôlisy

Anosibe Tsena : Mpanendaka roa lahy voasambotry ny pôlisy

Efa hiaraha-mahalala fa tokontany filalaovan’ireo tontakely, raha eny amin’iny faritra Anosibe Tsena sy ny manodidina iny. Ary efa tsy vitsy ireo lasibatra teny, na mpiantsena io, na mpandalo tsotra fotsiny na mpitaingina fiara. Ny alatsinainy teo, nisy ny hetsika nataon’ny pôlisy teny an-toerana nentina nipaingorana ireo raindahiny amin’izany asa ratsy. Nisy ny vokatra : lehilahy roa, malaza amin’ny harom-paosy sy sinto-mahery no voasambotry ny polisy avy eo anvion’ny kaomisarian’ny boriborintany fahadimy, tamin’io andro io. Raha ny voalaza hatrany dia misy ankehitriny paikady entina hamongorana tanteraka ny laza ratsin’ity toerana ity. Manara-maso eny an-toerana ireo mpitandro filaminana, mifangaro amin’ireo olona marobe eny an-toerana entina hanjonoana ireto fanetriben’ny firenena ireto. Tamin’io fotoana io dia tratra ambodiomby teo am-panatanterahana ny asa ratsiny mihitsy izy roa lahy ireto. Nopetahana rojovy avy hatrany ary nentina nihazo ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny tohiny famotorana azy ireo. Mazava ho azy fa notanana natao andrimaso izy ireo, miandry ny fanolorana azy eny anivon’ny Fampanoavana. Hirariana ny fitohizan’ny vokatra tahak’izay, satria vao maika hitombo izay tsy izy ny olona hifamezivezy eny an-toerana amin’izao ankatoky ny fety izao.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici