Ambonin’ireo finday sy zavatra sarobidy hafa mety ho azo, dia mitondra valo alina ariary any ho any, rehefa vita asa … ratsy ireo mpanendaka sy mpangarom-paosy, araka ny fitantaran’ireto roa lahy tratra ambodiomby, tetsy Manjakaray ireto, ny alarobia lasa teo. Raha izy roa lahy manokana ireto dia tany amin’iny taona 2014 no efa nanomboka ity asa ratsy ity. Amin’ireny fiantsonan’ny taxibe ireny, indrindra fa eny amin’iny faritra Anjanahary sy ny manodidina iny no tokotany filalaovan’izy ireo, rehefa manomboka hariva ny andro ka mihabetsaka sy misisika ny olona. « Manomboka amin’ny dimy ora hariva izy roa lahy no efa miandry eo amin’ny fiantsonan’ny fiara ka rehefa mahita izay horobainy izy dia manatona ary ny iray mody mibahana ilay mpandeha tsy ho tafiditra ny bus, ary ny iray kosa mangarona ny pôketra na ny paosy. Rehefa vita izany dia lasa mandositra izy roa lahy. » hoy ny vaovao. Tsy naha-mpanendaka za-draharaha an’izy roa lahy anefa io alarobia io, rehefa maro loatra ny fitairainana azon’ireo pôlisin’ny boriborintany fahatelo etsy Antaninandro, ka nisy ny paik’ady napetraka. Teo izy ireo, mody misisika nefa mangarom-paosy no voapaingotry ny pôlisy izay tsy nanao fanamiana teo akaiky teo izy ireo. Tsy afa-nitsoaka intsony ka noraisim-potsiny. Nentina avy hatrany nofotorana moa izy roalahy ireto, ary tamin’izany no nanambaran’izy ireo izany vola azony isan’andro izany. Kajy an-kandrina tsotsotra : raha izay efa taona maro sy vola azon’ireo izay dia mety efa ho mpanefoefo ihany ry zalahy ireto. Saingy ny mifanohitra amin’izay no misy ary ny fonja no midanadana ho azy ireo. Izany tokoa ilay hoe mivelona amin’ny alahelom-bahoaka, toy ny ataon’ireo mpanao pôlitika sasantsany eto amintsika ?
m.L