
Na dia mbola ao anatin’ny fandaminana tanteraka ny fiainam-pirenena amin’izao dia manohy ny asa, amin’ny fiarovana vahoaka hatrany ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena, amin’ny fanenjehana sy fisamborana ireo tontakely, mpanararaotra ny zava-mitranga amin’izao ihany koa. Efa nazava moa ny toromariky ny Tale jeneralin’ny pôlisy vaovao ny amin’ny hanohizana ny asa sy maha eo akaiky ny vahoaka hatrany ny pôlisim-pirenena, izay nanamafisana ihany koa ny fiaraha-miasa ny pôlisy amin’ny andrimasom-pokonolona sy ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana (VFP) eny anivon’ny fokontany rehetra eny. Mahakasika izay indrindra, teny amin’ny faritra 67ha iny, izay faritra efa malaza ratsy amin’ny resaka tsy fandriampahelamana dia fantatra fa nisy telolahy tamin’ireo tontakely no voasambotra teny an-toerana, ny alahady lasa teo. Raha ny fampitam-baovao azo dia ny iray tamin’ireto olon-dratsy ireto dia voasambotry ny VFP, teny an-toerana. Tratra am-bodiomby, teo am-pangalarana solika tao anaty kamio iray ny lehilahy. Ny roa ambiny kosa dia efa ireo tontakely mpanao sinto-mahery teny an-toerana, izay tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ihany koa. Nentina nihazo avy hatrany ny biraon’ny pôlisin’ny kaomisarian’ny boriboritany fahafito avy hatrany moa ireto olon-dratsy ireto ho amin’ny famotorana azy ireo ary notanana natao andrimaso, mandram-piandry ny fanolorana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L



