- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversMpanendaka tratra teny 67ha : Nahitàna fanalahidina « menotte » tany aminy

Mpanendaka tratra teny 67ha : Nahitàna fanalahidina « menotte » tany aminy

Saika atao inona ary taiza no mety nahitàny izany ? Mpanendaka rain-dahiny, izay mbola tsy ampy taona akory no tratry ny polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, teny amin’iny faritra 67ha iny teo am-panendahana ramatoa iray, ny tolakandron’ny talata lasa teo. Nandritra ny fisavàna azy dia nahagaga fa nahitàna fanalahidina rojovy (« menotte ») tany aminy, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny polisim-pirenena. Nikasa ny mbola hitsoaka indray ary ve ity farany ? Raha ny voalazan’ity tati-baovao ity hatrany mantsy dia efa mpamerin-keloka hikoizana ity tovolahy vao 16 taona ity, amin’ny resaka fanendahana. Efa nigadra mihitsy noho izay resaka izay mihitsy aza moa ny tenany ny taona lasa teo, araka ny vaovao hatrany.

Hetsika mpangarom-paosy. Amin’izao fotoana io dia misy ny hetsika ataon’ny eo anivon’ny polisim-pirenena hiadina amin’ny resaka harom-paosy sy fanendahana. Tamin’io fotoana io dia efa narahin’ireo polisy maso tanteraka ny fihetsik’ity tovolahy ity, izay angamba efa tsy zoviana amin’ireo mpitandro filaminana. Nanaraka vehivavy lehibe iray izy tamin’izay, ary niezaka mafy ery nisikotra zavatra tao anatin’ny poketran’io ramatoa io. Tsy nahazo na inona na inona anefa izy tamin’izay, hoy hatrany ny vaovao ary mbola niezaka fanindroany indray hangarona ilay poketra. Tamin’izay no avy hatrany dia niditra an-tsehatra ny polisy ary noraisim-potsiny fotsiny ranamana. Mbola azo lazaina tokoa fa isan’ny faritra mena amin’ny resaka fanendahana sy harom-paosy raha iny faritra 67ha sy ny manodidina ary ireo faritra hafa eto an-drenivohitra raha tsy hiteny fotsiny afa-tsy eny amin’ny Esplanade Analakely iny. Noho izay indrindra no nahatonga ny eo anivon’ny polisim-pirenena hanantanteraka izao hetsika izao. Raha ity teny amin’iny faritra Analakely ity izao dia tsiahivina fa mpanendaka sy mpangarom-paosy nahatratra teo amin’ny folo lahy teo no voasambotry ny polisin’ny kaomisarian’Analakely. Ny hirarian’ny rehetra ny hitohizan’ny ezaka, ahafahana mamongotra tanteraka ity asa ratsy ity, raha mety ! Ny indro kely mantsy dia raha voasambotra izy ireo, afaka volana vitsivitsy dia mivoaka indray ary miverina amin’ny asa taloha ihany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

2 Commentaires

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici