- Publicité -
mercredi, janvier 14, 2026
AccueilFaits-DiversAndavamamba : Mpangalatra kisoa nifanenjehan’ny fokonolona sy ny pôlisy

Andavamamba : Mpangalatra kisoa nifanenjehan’ny fokonolona sy ny pôlisy

Nobatainy ny kisoan’olona dia iny izy no nitsoaka. Soa ihany fa nifanena tamin’ny polisy no sady nikiakiaka rahateo ilay kisoa, ka nanaitra ny manodidina, teny amin’iny faritra Andavamamba iny. Ny alatsinainy lasa teo, lehilahy iray no voatery nosamborin’ny pôlisy, teny Ilanivato, rehefa hita fa nampiahiahy. Raha ny fantatra dia efa nifampikarohan’ny fokonolona tany ho any ingahy ity fa avy nangalatra kisoan’olona. Tamin’io fotoana io, raha sendra nifanena tamin’ireo pôlisy ingahirainy dia nitady lalana hitsoahana. Mailo avy hatrany ireo mpitandro filaminana ka nanao ny sakana ary tsy ela dia noraisim-potsiny. Natao avy hatrany ny fisavàna ary mbola hita tao anaty ny gony izay nolanjainy ny bibin’olona nangalariny. Raha ny voalaza dia an’olona mipetraka tao Andavamamba ity kisoa ity ary efa naverina tamin’ny tompony taorian’ny fanamarinana. Ingahy kosa nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy ho amin’ny famotorana. Mitohy ny fanadihadiana, hoy ny pôlisy.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici