
Ny alahady tamin’ny 12 ora antoandro teo no very teny Andakana, ao amin’ny kaominina Anosiala Ambohidratrimo ny môtô marika Kymco G6 iray. Tany Morarano Andoharanofotsy no nisy nahita izany. Nampandrenesina avy hatrany ny tompony. Raikitra ny fanarahan-dia.
Tsy niandry ela, raha ny angom-baovao azo fa efa vita resaka ary efa saika nisy nivonona ny hividy ity môtô lafovidy ity, raha tsy haingana dia haingana ny fanarahan-dia nataon’ireo tompony niaraka tamin’ny fokonolona vitsivitsy. Nantsoina haingana torak’ izany ihany koa ny zandary avy ao tobim-paritra Andoharanofotsy, rehefa tena tsikaritra ny nisy ireo mpangalatra. Ireo farany moa, raha vao nahita ireo andian’olona nanenjika azy dia vaky nitsoaka. Saingy tsy namelan’ireo mpanara-dia fa nenjehin’izy ireo hatrany. Namakivaky tampon-tanety sy lohavohitra ary nony ela dia voahodidina teny an-tanimboly sy tsy afa-nikofoka intsony ny iray tamin’ireo mpangalatra. Mbola nisy naman’izy ireo hafa, hoy hatrany ny angom-baovao azo, saingy tafatsoaka. Naman’ity mpangalatra ity, izay heverina fa saika handeha hividy an’ilay môtô.
Vantany vao voasambotra moa ity mpangalatra môtô dia mazava ho azy fa niharan’ny vono sy daroka isan-karazany. Nisy tamin’ireo mpisambotra mantsy no tsy nahatohitra ny hatezerany intsony ka niezaka namely ilay mpangalatra. Nifandamina teo ihany anefa ny rehetra ary natolotra ny zandary ity olon-dratsy ity. Tany aminy, izay mbola nahitàna karazana fanalahidina môtô maromaro, izay ny iray tamin’izy ireo naraikitra tamin’ny vola dimampolo ariary. Karazana ody gasy va ? Tsy fantatra aloha fa dia notanana natao andrimaso any amin’ny biraon’ny zandary ity ranamana ity, ho amin’ny famotorana azy. Mbola mandeha kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany voalaza fa tafatsoaka.
m.L