- Publicité -
vendredi, mai 9, 2025
AccueilFaits-DiversSabotsy Namehana : Mpangalatra môtô tratra ambodiomby

Sabotsy Namehana : Mpangalatra môtô tratra ambodiomby

Ingahy mpijoko voajoko.

Efa teny Antsofinondry, an-dalana handeha hitsoaka niaraka tamin’ny moto avy nangalariny teny Lazaina Avaradrano mihitsy ity tovolahy iray no tra-tehaky ny zandary, ny alin’ny alahady lasa teo. Tsy afa-nanda intsony ka dia noraisim-potsiny. “Mpijoko voajoko, hoy ny zandary ao amin’ny pejin’izy ireo ofisialy ao. Anisan’ny fotoana fanararaotan’ny olon-dratsy mihitsy ny orana. Indrindra moa fa oram-be tampotampoka toa ireny tamin’ny alahady hariva teto an-drenivohitra sy ny manodidina ireny. Tamin’ireny fotoana ireny indrindra araka ny vaovao voaray no nanao ny asa ratsiny ity tovolahy iray voasambotra ity. Nihevitra angamba izy fa tsy hisy haheno ka dia nohararaotiny nidirana am-boletra ny tranon’olona. Ary niezaka namoaka tsimoramora ny moto an’olona tao ranamana. Tsy izay anefa no nitranga fa fotoana vitsy taorian’izay dia tskairitry ny tompon-trano ny zava-nisy ary nampandre haingana ny zandary izy. Nandray an-tanana ny raharaha avy hatrany ireo mpitandro ny filaminana tamin’io alin’ny alahady io ary nanao ny fanarahan-dia sy nametraka ireo sakana isan-karazany tamin’ireo lalana izay mety hitsoahan’izany mpamaky trano izany. Tsy ela tokoa dia nivaly ny fikarohana satria tra-tehaka niaraka tamin’ny moto halatra teo amin’ny sakana teo Antsofinondry kaominina Sabotsy Namehana io ingahy. Mazava ho azy fa nentina notanana natao famotorana izy ary naverina tamin’ny tompony ilay kodiaran-droa halatra.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici