- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAndroafialava-Kandreho : Mpangalatra omby voasambotra

Androafialava-Kandreho : Mpangalatra omby voasambotra

Tsy mitsahatra ny fifanomezan-tananan’ ny Zandary sy ny fokonolona, ary ny mpikambana ao amin’ny dinam-pokonolona, amin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana, any amin’iny disitrikan’i Kandreho iny, izany hoe : ato anatin’ny faritra Betsiboka. Raha hotantarana tokoa ny tena zava-nitranga makasika ny halatr’omby niisa fito, izay niseho tao amin’ny tanàna atao hoe : Androafialava, fokontan’Ankorohoro, kaominina Mahatsinjo-Sud, any amin’ny disitrikan’i Kandreho iny. Ny andron’ny sabotsy faha-21 Desambra taona 2024 teo, tokony tamin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no nihangona tamin’ny alalan’ny tagnamaron’ny fandriampahalemana ny Zandary sy ny vatan-dehilahy, niampy an’ireo mpikambana ao amin’ny dinam-pokonolona, nanao ny fanaraha-dia, ka tratra tao amin’ny trano fonenany, ilay lehilahy iray nitondra omby halatra niisa fito, fantatra amin’ny anarana hoe : Njarasoa na ihany koa Velonjara, avy any Beakana, any amin’ny kaominina ambanivohitra Andriba, ato anatin’ny disitrikan’i Maevatanàna. Teo ihany dia nentina sy notazonina, tao amin’ny efitrano fiarovana, ao amin’ny zana-tobim-paritra  Betaiboay, disitrikan’i Kandreho ary efa naverina amin’ Atoa Monja Germon ao Androafialava, ireo omby azo teo am-pelatanan’ilay jiolahy.

 Ratantely

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici