- Publicité -
mardi, mai 13, 2025
AccueilFaits-DiversMpangalatra solosaina anaty “cyber” : Lehilahy iray voasambotra

Mpangalatra solosaina anaty “cyber” : Lehilahy iray voasambotra

Ankoatra ireo tovolahy mpanao sinto-mahery sy mpangarom-paosy ary mpamaky trano, dia misy andiana tovolahy kosa izao mangalatra ireo solosaina sy ireo kojakoja miaraka aminy ao anaty “Cyber” fotsiny no ataon’izy ireo. Taorian’ireo “Cyber” tao Valpinson sy Ankirihiry efa tratran’izany, dia mpivarotra solosaina tsy lavitry ny lapan’ny tanàna, sy mifanila amin’ity tobin-tsolika iray no niharan’izany halatra solosaina izany. Efa nanaovany fanadihadiana mihitsy ny zavatra tokony hiseho, ka raha misy mpividy miditra manontany solosaina sy kojakoja na solosaina ka variana mandray olona ilay mpivarotra ary niherika kely avy eo, dia efa tsy teo ity tovolahy iray sy ilay solosaina teo ambony latabatra. Vao nahazo ilay solosaina entin-tànana nangalariny ilay tovolahy, avy hatrany nandray tuc-tuc handositra, kinanjo efa mailo ilay mpivarotra ka nanaraka azy avy tato aoriana,  nifanitsy teo am-bavahadin’ny hopitaly kely dia sarona ambodiomby ilay tovolahy sy ny solosaina entin-tànana nangalariny. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ity tovolahy mpangalatra solosaina ity, saingy noho ireo polisy manao fisavana tsy lavitra ny vavahadin’ny hopitaly kely, dia tsy tanteraka izany, ary izy ireo no nitondra ity tovolahy ity nalaina am-bavany tao amin’ny kaomisarian’ny polisy bazary kely. Ankoatra ity solosaina enti-tanana ity, dia mbola nahitana trano na solosaina entin-tànana  roa koa tany aminy, izay heverina fa avy nangalariny tamin’ireo mpivarotra solosaina hafa kosa.

Malala Didier

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici