- Publicité -
mercredi, janvier 28, 2026
AccueilFaits-DiversItaosy : Mpangalatra tanaty magazay azo sary, voasambotra

Itaosy : Mpangalatra tanaty magazay azo sary, voasambotra

10 volana taty aoriana, tratra ihany Ingahy ! Omaly, namphafantatra ny zandary avy eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy ny mahakasika ny fisamborana lehilahy iray, izay tompon’antoka tamin’ny halatra solosaina avo lenta tao amina magazay iray teny amin’iny faritra Behoririka iny, volana maro lasa izay. Ny 19 martsa taona 2025 no nitrangan’ny halatra. Nametraka fitoriana avy hatrany teny anivon’ny zandary ny tompon’ny magazay ary nanomboka teo ny fikarohana ity lehilahy. Tamin’io fotoana io mantsy, dia hitan’ny “video surveillance” tsara izy sy ny vehivavy iray niaraka taminy, niditra tao amin’ilay magazay, nijaiko moramora ilay solosaina MacBook nipetrala tsara teo ambony latabatra, nanitrika izany tanaty poketran-dramatoa ary nivoaka moramora toy ny tsy nanao n’inona n’inona. Nandeha ny andro sy ny volana, ary nihevitra ingahy fa tsy hisy ahafantarra sy adinon’ny mpanao fikarohana ny momba azy. Tsy izay anefa no zava-nisehi fa niha-fantatra tsikelikely teny ilay endrika tanaty horonantsary. Nisy nahatsikaritra mantsy izy io teny alin’iny faritra Itaosy iny ary nampilaza tamin’ny zandary. Ny sariny rahateo ihany koa taorinan’ilay tranga dia efa niparitaka tanaty tambazotra. Nanomboka teo ny fitsongoana dia sy ny fanaraha-maso akaiky “sao olo-marina” hoy ireo mpanao famotorana. Rehefa azo anoka tsara anefa, taorina’ireo angom-baovao isan-karazany dia io niroso tamin’ny fisamborana io ireo mpitandro filaminana. “Izy rahateo tsy nanohitra ary nahafantatra tsara ny antony nisamborana azy … Niaiky ny zavatra vitany” hoy hatrany ireo zandary. Eo eo am-panaovana famotorana azy moa ireo mpitandro filaminana amin’izao. Heverina fa ts hoe ela ihany koa dia fantatra sy voasambotra ilay vehivavy niray nitsokombakomba taminy tamin’io fotoana io. Niaraka tamin’izay olona nivarotany ilay entana halatra. Aorian’izay no hatolotra eny anivon’ny Fampanoavana ingahy, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner

S'abonner à notre newsletter

Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici

S'abonner à notre newsletter