- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilÀ lireAmpitatafika : Mpanolana sy mpandrahona ho faty nadoboka eny Tsiafahy

Ampitatafika : Mpanolana sy mpandrahona ho faty nadoboka eny Tsiafahy

Sady efa nametaveta ankizy tsy ampy taona ity rangahy ity, nahabevohoka azy, ary mbola nandrahoana azy ho faty ihany koa raha mitoroka azy. Tsy ela dia nandray ny valin’asany ingahirainy, izay voasambotry ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Fenoarivo.

Niainga tamin’ny fahitàna zaza menavava iray, nisy nanary tetsy Ambohimahavelona, fokontany Malaza Ampitatafika ny fanadihadiana rehetra, nahafahana nisambotra ity mpanolana raindahiny ity. Ny tapatapaky ny volana mey lasa teo no hitan’ny fokonolona teo an-toerana ity zazakely ary nampandrenesina avy hatrany ny zandary. Avotra soa aman-tsara moa ilay zaza tamin’io fotoana ary nanomboka ny famotorana, hikarohana izay reniny, nahavita an’izay.

Tsy ela dia nivaly ny fikarohana ary fantatra fa mbola zazavavy vao 16 taona monja ilay renin’ilay zaza nisy nanary, mpanampy miasa aman’olona. Tamin’ny famotorana azy dia nilazàny tamin’ireo zandary fa nandray io fanapahan-kevitra ny hanary ilay zaza io ny tenany satria vokatry ny fanararaotana ara-nofo nianjady taminy no nahabevohoka azy sy nahazoany ilay zaza. Ambonin’izay, ilay lehilahy nanolana azy mihitsy no nandrahona ho faty azy raha toa ka mitoroka azy. Ary nanery ity farany ny hanary ilay zaza rehefa teraka. Nandray andraikitra avy hatrany ireo zandary hikaroka ity nahavanon-doza ity ary tsy ela dia  hita sy voasambotra ingahirainy. Efa nentina teo anatrehan’ny Fitsarana ny raharaha ka voatazona vonjimaika eny amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ity lehilahy nandika lalàna ity » hoy ny fampitam-baovaon’ny zandary.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici