- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMpanolana tetsy Ambohipo : Nidoboka am-ponja eny Antanimora

Mpanolana tetsy Ambohipo : Nidoboka am-ponja eny Antanimora

Naolana, nopotsirina ny maso mba tsy hahita intsony raha sendra ka velona ary nokendaina indray avy eo. Rehefa tsy nihetsika intsony satria noheverina ho namoy ny ainy dia natsipy teny an-tanimbary. Izany no herisetra sy vono mihitsy aza izay nanjo ny vehivavy iray namonjy « bal » tetsy Ambohipo. Enin-dahy no tompon’antoka ka ny iray tamin’ireo aloha no voasambotra. Nidoboka etsy Antanimora rehefa natolotra ny fampanoavana. Raha ny eritreritry ny olona dia eny Tsiafahy no mendrika ity lehilahy ity satria efa heloka bevava no nitranga dia ny vonoan’olona niniana, eny fa na tsy maty aza ilay olona. Tsy izay anefa aloha no tapaky ny tompon’andraikitra. Raha tsiahivina dia tsy maty ilay vehivavy saingy efa niady tamin’ny fahafatesana no hitan’ny olona teo amin’ny tanimbary teo Ambohipo. Avotra soa aman-tsara ihany ny ainy kanefa kosa tsy nahita intsony ny masony. Rehefa nandeha aza ny fanadihadian’ny BC etsy Anosy ka nahasamborana olona, rehefa natolotra azy io farany dia avy amin’ny feo sisa no namantarany fa isan’ny nandray anjara tamin’ny herisetra sy famonoana azy ilay olona. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny polisy dia mpisaikaiza ihany ilay vehivavy sy ny iray tamin’ireo mpanolana azy. Niaraka namonjy alim-pandihizana izy ireo kanefa teny an-dàlana dia nentin’ilay lehilahy tamin’ny maizimaizina tampoka. Sioka tokana teo dia nivoaka ny vatan-dehilahy miisa dimy izay niara-nanolana sy namono avy eo. Midika izany fa tetika efa nomanina ny nitranga.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici