- Publicité -
lundi, mai 12, 2025
AccueilFaits-DiversMpanondrana sokatra : Roa taona an-tranomaizina sazy mihatra

Mpanondrana sokatra : Roa taona an-tranomaizina sazy mihatra

Omaly no nivoaka ny didim-pitsarana izay mahakasika ireo roa lahy sarona saika hanondrana sokatra. Roa taona an-tranomaizina sazy mihatra miampy fandoavana lamandy mitentina roa tapitrisa ariary no nampiharina amin’izy ireo. Sazy izay tsy nahafa-po ny mpitory satria raha tsiahivina nandritry ny fotoam-pitsarana dia ny sazy henjana indrindra no notakian’izy ireo ary torak’izany ihany koa ny fangatahan’ny fampanoavana. Raha ny voalaza ao anatin’ny fehezan-dalàna famaizana dia roa ka hatramin’ny folo taona no sazy mihatra amin’ny mpanodrana harem-pirenena. Ny kely indrindra izany no nihatra tamin’izy roa lahy voakasika. Torak’izany ihany koa ny lamandy izay roa tapitrisa ariary kanefa 100 tapitrisa no nangatahan’ny fampanoavana ary 250 tapitrisa ariary ny an’ny sampan-draharahan’ny fiarovana ny ala izay mpitory. Ny roa martsa lasa teo izy roa lahy no sarona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato raha saika hihazo an’I Bangkok avy amin’ny fiaramanidina izay mandalo ao amin’ny nosy La Réunion. Ahiana ho lany tamingana ny sokatra Angonoky noho ny fisian’ny fanondranana azy any ivelany. Tombanana ho 400 isa isa ny isan’ny tavela ao amin’ny Baie de Baly kanefa ao no tena toerana betsaka azy, raha araka ny fanamarihan’ny AVG. Any amin’ny firenena asiatika no tena hanondranana ireo biby ireo ka misy ny manao azy ho biby fiompy araka ny fiheverena fa mitondra fahasoavana ny sokatra. Misy koa anefa no mihinana ireo Angonoky satria lafo vidy ny henan-tsokatra any amin’izy ireo. Ahiana ho lany taranaka tanteraka ny Angonoky, karazan-tsokatra izay tsy misy afa-tsy eto Madagasikara raha mbola mitohy hatrany ny fanondranana azy. 

D.R

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici