Enin-taona an-tranomaizina, miampy lamandy 100 tapitrisa ariary ary koa fandoavana 30 tapitrisa ariary hafa izay homena ny minisiteran’ny tontolo iainana. Izay no didy navoakan’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Toliara ho an’ireo olona telo; izay nahatrarana sokatra aman’aliny tao an-tranony, ny volana avrily teo. Enim-bolana taty aoriana izany, efa notazonina am-ponja vonjimaika avokoa ireo voakasika, dia nandeha ny fitsarana omaly. Hatreto izany, dia io no didim-pitsarana navesatra indrindra ho an’ny mpanondrana sokatra teto Madagasikara. Ho an’ny olona sy vondrona mpiaro ny tontolo iainana, dia fandresena lehibe ity didim-pitsarana izay navoaka tao Toliara ity, amin’ny ady izay tontosain’izy ireo isan’andro. Na izany aza anefa, dia mbola betsaka koa ny dosie mbola miandry fitsarana na koa ireo hafa izay vitavita ho azy fotsiny. Efa betsaka izay sokatra sarona teo amin’ny seranam-piaramanidin’Ivato izay ary betsaka koa ireo tany ivelany izay vao saron’ny ladoany tany an-toerana. Misy ny Malagasy sy vahiny notazonina am-ponja vonjimaika, mahakasika izany ary mbola miandry ny fitsarana azy. Biby arovana ary tsy mipetraka anaty faritra arovana ny sokatra ary heloka avy hatrany ny fisamborana, indrindra koa ny fanondranana azy ireo. Voafaritra amin’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara izany, fa mbola voafaritry ny lalàna iraisam-pirenena avy amin’ny fifanarahana Cites koa. Arahan’ny vondrona iraisam-pirenena maso arak’izany ity karazana fanondranana ity ary mety hahavoasazy ny firenana iray raha toa ka lasa baranahany.
D.R