- Publicité -
dimanche, juillet 27, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMpanondrana sokatra : Tsy nahazo fahafahana vonjimaika

Mpanondrana sokatra : Tsy nahazo fahafahana vonjimaika

Amin’ny 4 aprily raha araka ny fanamarihan’ny fitsarana ady heloka tsotra, no hivoaka ny didy mahakasika ireo malagasy roa lahy izay voasambotra tetsy Ivato, niaraka tamin’ny sokatra saika haondrana any Bangkok. Ny 2 martsa teo izy ireo no nikasa ny handeha amin’ny zotra mihazo an’io firenena io ary mandalo ao amin’ny Nosy La Réunion. Saingy tsy mbola tafakatra tao anaty fiaramanidina akory dia efa saron’ny ladoany teo amin’ny seranam-piaramanidina tetsy Ivato. Omaly no natao ny fitsarana, tao amin’ny efitra faharoa izay fanatontosana ny fitsarana ady heloka tsotra. Naharitra adim-pamantarandro maromaro izany, satria tsy vita raha tsy efa hariva ny andro. Nolavina ihany koa ny fangatahana fahafahana vonjimaika nataon’ny mpisolovava azy ireo. Ny fampanoavana dia nangataka onitra 100 tapitrisa ariary, ankoatry ny sazy faran’izay henjana. Ny mpitory kosa dia ny departemanta rezionaly Analamanga eo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana, nangataka 250 tapitrisa ariary. Raha ny tarehimarika farany naroson’ny AVG, Ong mpanara-maso sy miady amin’ny fanondranana ny harena ara-boajanahary, dia tsy misy afa-tsy 400 sisa ny angonoky ao amin’ny toerana tena misy azy ireo, dia ao Baie de Baly izany. Ny tafavoaka teto amin’ny firenena anefa efa manodidina ny 2000 ka any Thailande no tena mpandray io karazan-tsokatra ahiana ho lany taranaka io. Any an-toerana dia atao biby fiompy an-trano ny sokatra noho ny finoana fa mitondra fahasoavana. Any amin’ny hafa indray, mbola firenena aziatika hatrany, dia atao sakafo no tena ilaina ny sokatra. Roa ka hatramin’ny folo taona an-tranomaizina ny sazy mety hihatra amin’ny mpanondrana sokatra ary 100 ka hatramin’ny 200 tapitrisa ariary kosa ny onitra haloa.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici