- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversMpiadina bakalorea sandoka : Nadoboka am-ponja ilay mpampianatra nisolo toerana ny vadiny

Mpiadina bakalorea sandoka : Nadoboka am-ponja ilay mpampianatra nisolo toerana ny vadiny

Ny alakamisy lasa teo no vita ny fakàna am-bavany ilay mpampianatra « maitre Fram » saika nisolo ny toeran’ny vadiny izay mpiadina bakalorea tany Farafangana. Natolotra ny fitsaràna tany an-toerana ny lehilahy ary nadoboka am-ponja vonjimaika. Toraka izany ihany koa ilay iray saika hisandoka ho mpiadina ary nisolo toerana azy mihitsy tany Maroantsetra. Raha somary tsiahivina kely ny raharaha, nandritra ny adina  matematika , tamin’iny fanadinana bakalorea teo iny, tany Farafangana, Ingahy ramose mpampianatra no tonga tao amin’ny efitranom-panadinana raha tokony ho ny vadiny. Fitaka bevava no nampiasain-dramose, noheveriny fa hamitahana ireo mpiambina. Nosoloiny ny sariny mantsy ny teo amin’ny taratasim-pamantarana ilay mpiadina (ny vadiny). Soa ihany fa nandinika tsara anefa ireo mpiambina ka fantatra fa teo fa tokony ho vehivavy io mpiadina io fa tsy lehilahy velively. Rehefa niboraka teo ny nafenina dia nibaradaka ihany ny anao lahy ary noraisim-potsiny. Ilay iray hafa tany amin’ny faritra Analanjirofo indray dia tena fitaka bevava mihitsy no nataon’izy roa lahy, ilay mpiadina sy ilay nisolo toerana azy, nandritra ny adina taranja filozofia. Lehilahy iray nitovitovy taminy indray mantsy no nisolo toerana azy, saingy rehefa voatsirik’ireo mpiambina tsara dia tratra ihany ny nafenina. Mazava ho azy, fisolokiana sy fampiasàna hosoka no nanenjehana ireto olona ireto, antony nitazomana am-ponja azy ireo vonjimaika. Inoana marimarina kosa fa tsy afaka hanala fanadinam-panjakana ao anatin’ny taona maromaro ireo mpiadina nitady hanao hosoka ireo.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici