Ny zoma lasa teo no hita i Jenny sy Francky, ireo mpianadahy izay tsy hita izay nanjavonany raha nilaza fa handeha hamangy fianakaviana. Maherin’ny folo andro taty aoriana, nisy nanatitra tao amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona izy roa. Teo koa no namantarana fa tsy nisy naka an-keriny velively arak’izay feo nandeha izy ireo fa kosa nitsoaka tany amin’ny havan’ny mamany ihany. Ny antony, raha araka ny fitantaran’izy ireo teny amin’ny mpitandro ny filaminana, dia satria mijaly izy ireo miara-miaina amin’ny rainy ka nisafidy ny nitsoaka. Efa maty ny renin’izy ireo ary raha ny fijery ny raharaha dia nananosarotra ho an’ilay rangahy ny fiahiana azy roa. Nomarihan’ny mpitandro ny filaminana fa nisy ny fanadihadiana nosokafana noho ny fisian’ny taratasy fitoriana izay napetraky ny havan’izy mianadahy. Amin’ity herinandro ity no hatolotra ny fampanoavana ny raharaha.
D.R





