Fivoriana nandinihana ny zava-nisy mitranga teo anivon’ny oniversite no nataon’ireo mpianatra ny zoma 19 febroary misandratra andro tao Barikadimy. Nandritra izany no nandraisan’izy ireo fanampahan-kevitra, ka isan’izany ny fialan’ny filohan’ny Oniversite, eo koa ny fandraisana andraikitry ny mpitandro filaminana amin’ny fanoroana ny olona nitifitra tamin’ny bala tena izy an’Atoa John Elie, 23 taona, maty, ny fanomezana ny anaranan’ny nanome baiko nahatonga ilay fitifirana nitranga, ary ny fanomezana ny vatsim-pianarana efa-bolana miampy ny “équipement”. Tsy fitakiana no nanaovan’ny mpianatra ireo fehin-keviny ireo, fa tena baiko omeny ny filohan’ny oniversite sy ny mpitandro ny filaminana ary ny fanjakana malagasy mihitsy. Tsy nanome fe-potoana indray anefa izy ireo nandritra ity fivoriana ity, saingy tokony hatao faran’izay haingana izany. Ankilan’izany dia namoaka ny daty hoe andoavana ny vatsim-pianarana ny teo anivon’ny oniversiten’i Toamasina ny omaly nandritra ilay sakoroka nitranga nahafatesana mpianatra ity; ka voalaza tao anatin’ilay daty navoakan’ny oniversite fa ny faran’ny volana marsa no andoavana izany indray izao. Nefa nambara tamin’ny tatitra natao tamin’ny mpanao gazety, fa ny volana jolay ny taona lasa iny no efa tonga teo anivon’ny Oniversite izany vola handoavana ny vatsim-pianarana izany, hoy ny mpitantana ny oniversite, nefa niniana tsy nozaraina izany hatramin’izay nahatongavany fito volana izay. Raha ny zoma aloha dia tony ny teny amin’ny faritry ny oniversite na mbola tazana teny amin’ny manodidina aza ny mpitandro ny filaminana.
Malala Didier