Raha mbola tsy milamina ny raharaha kolikoly avolenta mbola anaovan’ny Bianco Toamasina fanadihadiana eo anivon’ny ENAP, na sekoly ambony mpanofana mpandraharaha ny fonja, ao Antetezambaro Toamasina II, tamin’ny fidirana tao nandritra ny fifaninanana farany teo; dia izao mipoitra indray ny fisolokiana sy kolikoly avolenta nataona mpianatra iray vao niditra farany teo.
Nisandoka ho Lietna mpandraharaha ny fonja izy ary tonga tamin’ity ramatoa iray. Fantatr’ity mpianatra ity tsara fa manam-pikasana mba hampiditra an-janany eo anivon’ity fandraharahana ny fonja ilay ramatoa ka nohararaotiny nilazana fa mahalala olona eo anivon’ny fitsarana sy eo anivon’ny ENAP izy. Tamin’izay dia vola efatra tapitrisa ariary no nalainy tamin’ity ramatoa ity mba hampidirana an-janany eo anivon’ny ENAP, izay mbola niampy vola 30.000 ariary vidin’ny fiantsoana tamin’ny fanadinana. Raha nivoaka anefa ny valin’ny fanadinana dia tsy afaka ny zanak’ity ramatoa ity, ka nifototra tamin’ilay nisandoka ho Lietna ny hatezerany, ka nahatonga azy nitory teo anivon’ny polisy. Nivoaka teo avokoa ny nafenina rehetra tamin’ny fisandohana ho Lietna nataony sy ny kolikoly nakany vola tamin’ity ramatoa ity. Voatery niditra an-tsehatra ny ray aman-drenin’ity tovolahy ity izay milaza ny handoa ny vola rehetra ny 1 aprily ho avy izao hanavotana an-janany.
Raha vao mpianatra ho mpandraharaha ny fonja no efa mahavita misoloky andraikitra sy tratra manao kolikoly avolenta toy izay, hanao ahoana ity tovolahy ity amin’ny fotoana handraisany ny asany amin’ny maha-mpandraharaha ny fonja azy. Miseho avokoa ny nafenina rehetra eo anivon’ity ENAP ao Antetezambaro Toamasina II ity tamin’ity taona ity, izay mila fandraisana andraikitra hentitra avy amin’ny minisiteran’ny fitsarana misahana mivantana ity sekoly ambony hany tokana eto Madagasikara, ity.
Malala Didier