Namono olona indray ny vara-maina. Tokony ho tamin’ny mitataovovonana omaly, nilatsaka ny varatra mahery ary niantefa tamin’ny ankizy roalahy. Mpianatra eo anivon’ny sekoly Katolika Saint Vincent de Paul ao Soanarivo izy roalahy. « Nandeha tany amin’ny trano fivoahana ary vao nivoaka tao ka hamonjy ny efitrano fianarana no nirefotra ny varatra. Maty tsy tsa-drano izy roalahy izay enina sy valo taona » raha araka ny fanampim-baovao momba ity varatra namono olona ity. Marobe ny mpianatra izay nivoaka tamin’io fotoana io ary namonjy ny toeram-pivoahana (WC) saingy teo amin’izy roa ihany no nidoboka ny varatra. Azo sary an-tsaina ny vesatry ny alahelo mianjady amin’ny ray aman-drenin’ny zaza. Hiala mba hanovo fahalalàna no nialan-janany an-trano kanefa razana no tafody. Isan’ny orana mafy teto an-drenivohitra sy ny manodidina azy iny omaly iny ary na ny sampana mpamantatra ny toetr’andro aza dia efa nampandre ny mety ho fiakaràn’ny orana. Ary dia dibo-drano tokoa ny toerana maro na dia tao anatin’ny adim-pamataranandro roa ihany aza no nilatsaka ny orana. Etsy ankilan’izany, nahery ny varatra. Ary ankoatra ity fahafatesan’olona ity dia maro koa ny milina mpamatsy herinaratra izay nidobohan’izany ary may. Betsaka ny toerana izay tapaka ny jiro omaly taorian’ny vara-datsaka.
D.R
Avec ce DG Est ce que le contrat prévoit une obligation de résultat positif et largement significatif , que chaque parti y trouve son compte ? Sinon il repart comme il était venu !!!