Ny alarobia tolakandro teo tao Tanamborizano no niantso mpanao gazety nialazan’izy ireo ny ahiahiny, ny fianakavian’ilay ankizilahy 13 taona maty, mpianatry ny CEG Ratsimilaho, noho ny resaka sangisangy an-dalam-be nefa nivadika ho famonoana olona tsotra izao nony farany. Manahy ny fisiana kolikoly avo lenta ny fianakavian’ny maty noho ny teny alefan’ireo tovolahy 05 voasambotra ho isan’ny mpamono, izay efa miandry fitsarana ny 04 amin’ireo. Ankehitriny mantsy, hoy ny fianakavian’ny maty, dia toa voarirarira foana izy ireo isaky ny mba mangata-panazavana eny amin’ny fitsarana momba ity raharaha ity. Hita taratra izany nanadritra ny fakana am-bavany faharoa teny amin’ny mpitsara mpanao famotorana mihazona ny antontan-taratasin’ady, fa ireo fianakavin’ny maty indray no nohenoin’ny fitsarana fa tsy ireo tovolahy 05 voarohirohy isan’ny namono ilay zazalahy 13 taona miandry fitsarana am-ponja. Efa mandeha rahateo ny resa-be amin’izao eto Toamasina izay mbola tsy voamarina aloha teo anivon’ny fitsarana hatramin’izao, fa manao izay ho afany amin’ny ho fahazoana famotsorana vonjimaika ireo zanany miandry fitsarana am-ponja ny ray aman-drenin’ireo tovolahy 04 “Md” noho ity raharaha vono olona ity. Raha hiverenana ny tantara dia ity vono olona ity no vokatr’ilay fitokonan’ny mpampianatra momba ilay resaka 65.000 ariary teto Toamasina, satria nalefa nody avokoa ny mpianatra tamin’izay fa nitokona ny mpampianatra teto Toamasina, ka iny vono olona noho ny sangisangy resaka fanafenana kasikety iny no vokatra nentin’ny mpianatry ny CEG Ratsimilaho tamin’izany, satria iray sekoly ihany ireo mpamono sy ilay maty fa tsy iray kilasy fotsiny.
Malala Didier